ITOMPOKOLAHY ANTOINE dit LEBOJO : NASITRIKA TAO AMIN’NY FASAN’NY KRISTIANINA NY NOFO MANGATSIKANY
Tontosa ny tolakandro teo ny fanaovam-beloma farany ny nofo mangatsikan’itompokolahy ANTOINE dit LEBOJO ‚ vady andefomandriny Rtoa ASSIMINE ( filoham-boninahitry ny fikambanana VEHIVAVY TIA FANDROSOANA SOFIA ) ‚ Ray niteraka an’ny mpanakanto VANEY’S.
Feno alahelo ny fo ary torotoro tanteraka fa indrindra hoan’ireo vady aman-janany izay tsy mahafoy . Vory maro ny fokonolona nankahery ny fianakaviana ary nanontrona hatramin’ny fanitrihana ny nofo mangatsikan’itompokolahy tao amin’ny fasan’ny Kristianina Antsohihy . Niely nandritra ny fandevenana ny maha mbola zanak’itompokolahy LUIS HENRY dit LUIS BATEAU azy ‚ natao eo akaiky Luis Henry rahateo ny toerana nanitrihana azy.
![🙏](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t80/1/16/1f64f.png)
![🙏](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t80/1/16/1f64f.png)
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.