a
FandraisanaFampianaranaILC MAHAJANGA : MIDINA MANADIHADY SY MANAMAFY FIKAROHANA NATAO MOMBA NY FARITRA SOFIA NY MPIANATRA‼️

ILC MAHAJANGA : MIDINA MANADIHADY SY MANAMAFY FIKAROHANA NATAO MOMBA NY FARITRA SOFIA NY MPIANATRA‼️

ILC MAHAJANGA : MIDINA MANADIHADY SY MANAMAFY FIKAROHANA NATAO MOMBA NY FARITRA SOFIA NY MPIANATRA‼️

Mpianatra miisa 200 mahery avy ao amin’ny Ivon-toerana manofana momba ny Teny sy Riba na “Institut des Langues et Civilisation ( ILC ) Université de Mahajanga” no tonga manao “DIA FIBEAZANA” eto Antsohihy‚ manohy ny asa fikarohana sy dinik’asa araka ny lohahevitra izay nosafidiny‚ ahitana sampana maro ( Communication – Sociologie – Anthropologie – Philosophie – Psychologie – Etudes Française ).

Maharitra herinandro no hanaovan’izy ireo izany. Nisy ny fihaonana sy dinik’asa niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra lehiben’ny sampandraharaham-panjakana aty ifotony androany 20 Jona 2023. Fotoana izay nahafahana nifanakalo hevitra sy nitondra ireo fanontaniana manitikitika sy izay mety ho sakana tsy hahavitana ny fanadihadiana momba ny lohahevitra izay nosafidina. Samy tsy nihafahafa ireo mpianatra na ireo tompon’andraikitra izay nandray fitenenana ka fahombiazana no azo amintinana ny hetsika amin’ny ankapobeny‚ hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny ILC.

Niompana tanteraka amin’ny maha olona sy ny fiainam-piarahamonina ary toe-draharaha misy ankehitriny ny fifampiresahana sy fifanakalozan-kevitra niarahana. Tanjona ny hahafantaran’ireo mpianatra ny zava-misy aty ifotony sy ny mombamomba ny faritra iray‚ ohatra amin’izany : ireo fomba amam-panao‚ toe-tany‚ ny harena sy vokatra mampiavaka azy‚ ny velontenan’ny mponina sy ny tontolo iainany iray manontolo‚ hoy Dr Razamany Guy – Chef de Mission ILC Mahajanga.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment