a
FandraisanaKolontsaina sy TalentaHo taterintsika misesy eto amin’ny pejy ny fanamarihana ny daty ny 14 Oktobra 1958 tato amin’ny faritra Sofia . Ezahina ho takomana mantsy ity daty ity noho ny atony ara-politika ?

Ho taterintsika misesy eto amin’ny pejy ny fanamarihana ny daty ny 14 Oktobra 1958 tato amin’ny faritra Sofia . Ezahina ho takomana mantsy ity daty ity noho ny atony ara-politika ?

Ho taterintsika misesy eto amin’ny pejy ny fanamarihana ny daty ny 14 Oktobra 1958 tato amin’ny faritra Sofia . Ezahina ho takomana mantsy ity daty ity noho ny atony ara-politika ?

 Tsiahivina ihany fa teraka tamin’io daty io ny Repoblika Malagasy ary ny Filoha Philibert TSIRANANA no nitarika izany voalohany . Ny fitondrana Repoblika dia mametraka ny fitovian-jo eo amin’ny olom-pirenena tsirairay na olombelona rehetra fa tsy misy ampanjaka sy andevo fa mitovy ny rehetra eo anatrehany lalàna ary ny lalam-panorenana no mamaritra ny zo sy adidiny tsirairay.

Anisany faritra manana ny fanetrehan-tena ‚ manajà ny maha olona na ny mety ho fomban’ny tany ny Tsimehety ‚ tsy nahitana ampanjaka tao aminy fa ny « SOJABE » Ray aman-dReny no toa-teny taminy sy nandamina ny fiarahamonina raha ny lovan-tsofina . Misy foko 18 eto Madagasikara ‚ nizarazara samy amin’ny fanjakana tantanany izy ireo tamin’ny vanim-potoana mpanjaka talohany fanjanahan-tany . Natambatra ho fanjakana iray rehefa resi-tosika tamin’ny ady ka nozanahiny Frantsay izy aveo ‚ tao anaty 60 taona mahery ( fijaliana ‚ fampijaliana ‚ fanandevozana… no nisy tamin’izany raha ny tantara ).

Namoaka fanambarana momba ny zon’olombelona tamin’ny 1948 ny firenena mikambana ho fametrahana filaminana eran-tany ary hirosoana amin‘ny fampandrosoana maharitra . Tsy maintsy mamela firenena rehetra nozanahiny ireo firenena miditra anaty firenena mikambana ( Nations-Unies ) ary manaja io FIZO io ‚ anisan’izany ny Frantsay . Vita sonia ny 14 Oktobra 1958 ny famelana ho malalaka an’i Madagasikara ‚ ary nomena ny filoha Philibert TSIRANANA ny fitondrana mba tena hipetraka ny Repoblika ‚ izay mametraka ny fitovian’olom-pirenena tsirairay ‚ ny faritany 06 ‚ ny faritra 22 tamin’izany . Nilamina ny fitondrana tamin’izany araka ny tantara ‚ nisy ny fitsinjaram-pahefana tena izy ary nandroso sy nivoatra i Madagasikara saingy niova izany rehefa nahongana ka niala teo ny Filoha Philibert TSIRANANA.

Ireto ny Ampahan-tsary nandritra ny diaben’ny firaisankina nanamarihana ny datin’ny 14 Oktobra teto Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia omaly 14 Oktobra 2022.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment