a
FandraisanaVaovaom-paritraHERINANDRO NY KARA-TANY ANTSOHIHY : HITALAKOTROKOTROKA NY FANOKAFANA NY FANOKAFANA NY HETSIKA‼️

HERINANDRO NY KARA-TANY ANTSOHIHY : HITALAKOTROKOTROKA NY FANOKAFANA NY FANOKAFANA NY HETSIKA‼️

HERINANDRO NY KARA-TANY ANTSOHIHY : HITALAKOTROKOTROKA NY FANOKAFANA NY FANOKAFANA NY HETSIKA‼️

Anisany fototra mampisy ny tsy fandriampahalemana ato amin’ny faritra Sofia ny ady tany‚ betsaka ireo lany fananana‚ miaka-midina eny amin’ny fitsarana ary miafara amin’ny fifamonoana mihitsy indraindray eo amin’ny samy mpiarabelona. Mandray ny andraikiny manoloana izany‚ mba tsy hisian’ny ady eo anivon’ny fiarahamonina dia nametraka birao ifoton’ny fananan-tany (BIF) amin’ny kaominina 30 mahery ato amin’ny faritra Sofia.

Atomboka rahampitso eto Antsohihy renivohitry ny faritra ny herinandro ny kara-tany izay hanaovana fanentanana sy fampahafantarana ireo dingana afahana mahazo izany miaraka amin’ireo teknisianina sy tompon’andraikitra ara-panjakana maro. Hisy ny hetsika maroloko handravahana izany‚ toy ny diabe mamakivaky tanàna izay ho faranana amin’ny kabary hifandimbiasan’ny manampahefana eo amin’ny Rond-point.

Tanjona ny hisitrahan’ny vahoaka ny zony feno amin’ny fananany ary mba hisiany filaminana eo anivon’ny fiarahamonina‚ afahan’ireo tantsaha mamokatra ary mampandroso ny tokantranony fa tsy hiady mandavan-taona amin’ny resaka tany.

Kara-tany miisa 2 Tapitrisa no kasaina hozaraina manerana an’i Madagasikara amin’ity taona ity ary efa nanomboka sy efa mandeha ny fizarana izany‚ hoan’izay nisoratra anarana anarana ka nanaraka ireo toromarika afahana misitraka izany. Miantso ny vahoaka rehetra araka izany ny fitondram-panjakana mba hamonjy ny lanona eo amin’ny Rond point Antsohihy‚ rahampitso 22 Mey 2023.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment