HASAROTAM-PIARO TAFAHOATRA TAO TOAMASINA : NODAROHIN-DRALEHILAHY TAMIN’NY HAZO ( BOIS ROND ) NY VADINY KA MATY TSY TRA-DRANO‼️
Ny talata alin’ny 28 Martsa 2023 no maty nodarohiny vadiny hazo tao anaty tokantranony itompokovavy Joeline monina ao Ambodisaina Toamasina II . Noheveriko ho nampirafy ahy izy ‚ nodarohiko tamin’ny hazo ka maty tsy tra-drano ‚ nofonosiko lamba izy aveo naleviko teo an-tokotaninay . Mody natory tao an-trano aho roa andro taorian’izay ‚ hoy ilay Raim-pianakaviana namono vady nitantara ny hadisoana nataony.
Na efa nanontany sy nitady ilay Renim-pianakaviana maty novonoin’ny vadiny ity aza ny fianakaviana dia tsy nambarany ny tena marina fa nolazainy fa lasa an-toeran-kafa izy rahateo efa nitondra kara-panondron-dravehivavy mba hakany vola.
Androany alahady 02 April 2023 vao tapa-kevitra nilaza ny marina rehefa nafana ny fitadiavana ilay Renim-pianakaviana . Efa 14 taona nifanambadiana sy efa niteraka roa izy mivady . Efa matetika miadiady ary izao niafara tamin’ny fandatsahan’aina izao . Efa eo ampelatanany manampahefana ny raharaha na efa niakatra aza ny hatezeram-bahoaka nikasa hidaroka sy hanafay azy.