a
FandraisanaVaovao maneran-tanyHAITI : ROMOTRA NOHON’NY FAMPAKARANA VIDIN-TSOLIKA NY VAHOAKA

HAITI : ROMOTRA NOHON’NY FAMPAKARANA VIDIN-TSOLIKA NY VAHOAKA

HAITI : ROMOTRA NOHON’NY FAMPAKARANA VIDIN-TSOLIKA NY VAHOAKA

 Mafana ny toe-drahara ao Haiti, Romotra ny vahoaka any an-toerana rehefa nandre ny fanambarana nataon’ny governemanta mahakasika ny fiakaran’ ny vidin-tsolika . Nasehon’izy ireo tamin’ny hetsika maro ny hatezerany ‚ betsaka ny zavatra simba sy may. Isan’izany ny haino aman-jerim-panjakana, banky, laboratoara fanamboarana fanafody lehibe, orinasa sy fivarotana tsy miankina eo an-drenivohitra.

Goavana ny fahavoazana araky ny vaovao ‚ Misy ihany koa ireo andian’olona nandoro ny trano fonenan’ny Senatera teo aloha Edmonde Supplice Beauzile izay mpitarika ny antoko Fusion mpiara-dia amin’ny governemanta ankehitriny any an-toerana.

Mbola milamina tokoa ny eto Madagasikara noho ny fahaza-mitantan’ny Laharana faha-13 . Hany ka vitany fimenomenona isan’andro sy kaomantera ato amin’ny tambazotran-tserasera ihany ny hatezerana rehefa voahitsakitsaka matetika ny zon’ny vahoaka Malagasy ( Délestage ‚ Mpianatra tsy mandray Bourse ‚ Lalan-dratsy ‚ Vidim-piainana midangana … ).
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment