a
FandraisanaFialambolyHAFA KELY : LEHILAHY MIHINANA TANALAHY

HAFA KELY : LEHILAHY MIHINANA TANALAHY

HAFA KELY : LEHILAHY MIHINANA TANALAHY

 Nisy nizara tato amin’ny tambazotran-tserasera ity sary ity . Lehilahy salama saina tsara mihinana TANALAHY na TARONDRO ‚ DATSI no anarany ary monina sy mipetraka ao Ambohimandry raha ny fanazavana.

 Atono sahala amin’ny mitono hena ireny ny tanalahy na tarondro ( kandrondro ) ary dia hoaniny rehefa masaka . Matsiro tsara ho izy ary tsy misy fiantraikany amin’ny fahasalamana fa biby madio raha ny fanazavana nataony tamin’ireo izay nanontany azy sy nizara ity sary ity.

Anisan’ireo biby ahiana ho lany tamingana ary harem-pirenena arovana ny tanalahy na tarondro eto Madagasikara . Tsy mbola fahita matetika izany hoe Malagasy mihinana tarondro izany sa ny fahantrana lalina manova zavatra ka mampihinana ny tsy fihinana?
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment