HADISOAM-PANANTENANA VE⁉️ ‼️ TOVOLAHY 21 TAONA AVY ANY AMBOSITRA▪️MATY NIHANTOM-BOZONA TAO BEALANANA‼️
Tsy mbola fantatra mazava ny tena antony fa lehilahy iray hita faty ‚ nihantom-bozona tao Bealanana II ambadiky ny Biraon’ny JIRAMA io maraina ny 11 Martsa 2023 io.
Tombanana ho namono tena noho ny hadisoam-panantenana ara-pitiavana na hamafisan’ny fiainana lavitra fianakaviana noho ny fitadiavana izy ‚ mbola nahitana “sms” hafatra sy fanaovam-beloma olona tiany tao anaty findainy ( Veloma malalako ) araka ny fanazavana voaray.
Tovolahy teraka ny 19 Jona 2002 avy any Ambositra fa mitady ravinahitra ao Bealanana ity namoy ny ainy ity.