a
FandraisanaSosialyGOVERNEMANTA MALAGASY : NITONDRA TENY FANKAHEREZANA IREO TRABOINA ARY NANDEFA FIARAMANIDINA NANATITRA FANAMPIANA HOAN’IREO TRABOINA VOKATRY NY LOZA TANY AN-DRANOMASINA ANTSOHIHY

GOVERNEMANTA MALAGASY : NITONDRA TENY FANKAHEREZANA IREO TRABOINA ARY NANDEFA FIARAMANIDINA NANATITRA FANAMPIANA HOAN’IREO TRABOINA VOKATRY NY LOZA TANY AN-DRANOMASINA ANTSOHIHY

GOVERNEMANTA MALAGASY : NITONDRA TENY FANKAHEREZANA IREO TRABOINA ARY NANDEFA FIARAMANIDINA NANATITRA FANAMPIANA HOAN’IREO TRABOINA VOKATRY NY LOZA TANY AN-DRANOMASINA ANTSOHIHY

 Nitondra teny fampiononana sy fankaherezana ireo fianakaviana nidonam-pahoriana tampoka ‚ namoy havana‚ zanaka‚ mpiray tampo izay nodimandry nandritra ny fifandonan’ny sambo tao tao Ampondrabe Antsohihy ny Governemanta Malagasy ‚ tamin’ny alalany Lalatiana Rakotondrazafy Andriantongarivo‚ Ministry ny serasera sy kolontsaina sady mpitondra tenin’ny Governemanta androany 12 Septambra 2022 tao Antafiampatsa ‚ Antsohihy ‚ izay nontronon’ny Governoran’ny faritra Sofia ‚ ny lehiben’ny Prefektiora ‚ ny Solombavam-bahoaka voafidy teto Antsohihy sy ny Ben’ny tanàna voafidy teto Antsohihy ‚ Ankerika ‚ Analalava ary ireo lehiben’ny sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana.

Nilaza ny minisitra fa nandefa fiara manidina ny fotondram-panjakana ‚ amin’ny alalan’ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary ( BNGRC ) ary hatolotra ireo traboina sy nidonam-pahoriana izany ankoatran’ireo fanampiana maro efa natolotra ny ministera sy ny faritra Sofia.

Tsy avela ho vita mora ny raharaha ary efa nandre sy nampitondra teny fankaherezana ireo traboina ny filoham-pirenena Andry Rajoelina araka ny fanazavana . Mandeha ny fanadihadiana eo anivon’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana ‚ efa hita rahateo ilay « vedette » voalaza ho nandositra ‚ hoy hatrany ny fanazavana.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment