a
FandraisanaFahasalamanaFONJAN’I MANDRITSARA : AMPY HIATREHANA IREO KARAZAN’ARETINA MAHAZO IREO VOAFONJA NY FANAFODY VATSIAN’NY FITONDRAM-PANJAKANA

FONJAN’I MANDRITSARA : AMPY HIATREHANA IREO KARAZAN’ARETINA MAHAZO IREO VOAFONJA NY FANAFODY VATSIAN’NY FITONDRAM-PANJAKANA

FONJAN’I MANDRITSARA : AMPY HIATREHANA IREO KARAZAN’ARETINA MAHAZO IREO VOAFONJA NY FANAFODY VATSIAN’NY FITONDRAM-PANJAKANA

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny lehiben’ny fonjan’i Mandritsara ( chef d’administration pénitentiaire ) ‚ Atoa RAHARIMANDIMBY Luder Freitz ‚ manoloana ny resa-be miely momba ny fandraisana an-tànana ny fahasalaman’ireo voafonja mamita ny saziny any an-toerana.

Misy mpitsabo manokana sy voatokana hanaramaso ny fahasalaman’ireo voafonja izay mandalo tsy fahasalamana ato amin’ny fonjan’i Mandritsara . Tsy misy atahorana ihany koa ny momba ireo fanafody ampiasaina fa ampy ary tsy misy valan’aretina araka ny feo miely izany ato fa samy manao ny asany ara-dalàna na ny mpitsabo na ny tompon’andraikitra anatiny ‚ hoy ity tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny fonjan’i Mandritsara ity nanazava sy nanamafy fa misitraka ny zo-ny ahazo fahasalamana ireo voafonja.

Ity farany moa nitondra fankasitrahana hoan’ireo tanora TMT izay nitondra vary sy kojakoja maro ho fanampiana ireo olona voafonja.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment