a
FandraisanaVaovaom-paritraFONJABEN’I MANDRITSARA : TSY MIFANARAKA AMIN’NY VALAN’ARETINA MAHAZO IREO VOAFONJA NY FANAFODY VATSIAN’NY FITONDRAM-PANJAKANA

FONJABEN’I MANDRITSARA : TSY MIFANARAKA AMIN’NY VALAN’ARETINA MAHAZO IREO VOAFONJA NY FANAFODY VATSIAN’NY FITONDRAM-PANJAKANA

FONJABEN’I MANDRITSARA : TSY MIFANARAKA AMIN’NY VALAN’ARETINA MAHAZO IREO VOAFONJA NY FANAFODY VATSIAN’NY FITONDRAM-PANJAKANA

Vary amin’ny gony sy kojakoja maro toy ny koveta ‚ sio ‚ kopy sns no nohentin’ny fikambanana tanora TMT ( Tanoran’i Mandritsara Tompon’andraikitra ) hoan’ireo voafonja ao amin’ny fojaben’i Mandritsara ny faraparany herinandro teo.

Nitondra teny fisaorana ireo voafonja ‚ torak’izany koa ny solontenan’ireo mpandraharaha ny fonja izay nilaza fa tsy mifanaraka amin’ny valan’aretina misy ao amin’ny fonja ny fanafody vatsian’ny fitondram-panjakana ka voatery maniraka ireo tompon-kavana ireo mpandraharaha ny fonja hividy fanafody hoan’izay manan-kavana ‚ ankoatrizay dia ireo mpandraharaha ny fonja ihany no mividy fanafody hoan’ireo voafonja tsy manam-bola nefa marary ‚ maro anefa karazan’aretina ao amin’ny fonja ‚ hoy ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny fonjaben’i Mandritsara nitondra fanazavana.

Santatra ambavarano ihany moa ity natao ity hoy Baba Alix ‚ filohan’ny fikambanana TMT ao Mandritsara.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment