a
FandraisanaVaovaom-paritraFLM ANTSOHIHY : TSY MANKASITRAKA NY FANAKORONTANA FIANGONANA SY FAMINDRANA TAMPOKA NY PASTORA DAVIDA IREO MPINO MARO AN’ISA KA NAMETRAKA SORA-BAVENTY TEO AMIN’NY FIANGONANA‼️

FLM ANTSOHIHY : TSY MANKASITRAKA NY FANAKORONTANA FIANGONANA SY FAMINDRANA TAMPOKA NY PASTORA DAVIDA IREO MPINO MARO AN’ISA KA NAMETRAKA SORA-BAVENTY TEO AMIN’NY FIANGONANA‼️

FLM ANTSOHIHY : TSY MANKASITRAKA NY FANAKORONTANA FIANGONANA SY FAMINDRANA TAMPOKA NY PASTORA DAVIDA IREO MPINO MARO AN’ISA KA NAMETRAKA SORA-BAVENTY TEO AMIN’NY FIANGONANA‼️

Voalaza fa nandefa taratasy antsokosoko nitoroka ny mpitandrina any amin’ny synodam-paritany ireo andian’olombitsy mitady tombontsoa manokana ao amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy na FLM ao Anjiabe Antsohihy. Tsy nisy fampahafantarana sy fankan-kevitra ny mpino‚ ny komitim-piangonana sy komitim-pitandremana ary komitim-pileovana‚ eny na ireo rafitra mpitarika ny fiangonana aty ifotony aza tsy nisy nampahafantarina raha toa ka misy disadisa na tsy fifankazahoana eo amin’ny samy kristianina‚ na mpitarika sy ny taritina ary mpitandrina sy ireo mpiray fanantenana.

Voahosihosy tanteraka ary tsy nasiana fotony mihitsy araka izany ny lalàna faratampony mifehy ny FLM. Voalaza ao amin’ny andininy faha-12 mantsy fa tokony hoentina eo anatrehan’ny komitim-piangonana ary manaraka antanan-tohatra raha sendra misy olàna na disadisa ao anaty fiangonana. Nodikavin’ny filohan’ny synodam-paritany anefa izany araka ny fanazavana‚ nitondroin’ireto mpino kristianina ao amin’ny FLM Anjiabe Antsohihy androany 06 Jona 2023 ireto fa manao didikofehy lehibe sy manampatra fahefana ny filohan’ny synodam-paritany sady manavakavaka.

Mijoro eto izahay ary niantso anareo mpanao gazety satria tsy ekenay ny fanozongozonana sy fanakorontanana ary fanalam-baraka mihitsy ataon’ireo olombitsy manimba ny fiangonana Loterana Malagasy izay ivavahanay. Pasitera manana ny maha izy azy na ny traikefa na ny fahaizana teolojia‚ mahafehy ny asany sady mampandroso ny asan’Andriamanitra i Pasitera Davida. Mbola tsy tapitra ny fe-potoampiasany koa tsy ekenay ny fanalàna azy tampotampoka izao. « Ny marina amin’ny finoana no velona » ka manaja sy mampanjaka izany izahay ary miantso ny filohan’ny FLM mba hijery akaiky ny zava-misy aty Antsohihy fa korontanin’olom-bitsy ny fiangonana‚ hoy Ramaroson Zwisler – Filohan’ny KTLM Synodam-paritany Sofia‚ nanazava sady nisolontena ireo mpino tsy mankasitraka ny famindrana tampoka ny mpitandrina.

Tontonsa ny alahady 04 Jona 2023 teo moa ny alahadin’i Pasitera Davida ka vola mitentina 10 Tapitrisa Ariary no voahangon’ny fiangonana hoan’ny Pasitera ho porofom-pitiavana sady fankasitrahana azy‚ raha ny angom-baovao. Ny 12 Jona 2023 izao no tokony efa miala eto Antsohihy ary mamonjy any Maevaranohely Mampikony izay namindrana azy araka ny fanazavana.

Ahiana araka izany ny hampisy savorovoro sy ady mamaivay tahaka ny zava-nisy tamin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano Antananarivo sy disadisam-piangonana izay tsy takona nafenina tao amin’ny fiangonana Adventiste Ankiririky Antsohihy izay nohelahelanin’ny OMC (Organe mixte de conception) amin’ny fandaminana azy. Mandrahona ny handroaka Pasitera hiala ao amin’ny trano misy azy sy hamoaka ny entana eny antokotany mantsy ireo voalaza fa mpanakorontana rahampitso 07 Jona 2023‚ raha ny vaovao voarainay ka ho arahintsika eto ny mety ho tohiny‚ tsy mbola nahazahoana fanazavana rahateo izy ireo hatreto.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment