a
FandraisanaVaovaom-paritraFLM ANTSOHIHY : MIHAMAFANA NY RAHARAHA ▪️ MIEZAKA MITANDRO NY FILAMINANA NY ZANDARY‼️

FLM ANTSOHIHY : MIHAMAFANA NY RAHARAHA ▪️ MIEZAKA MITANDRO NY FILAMINANA NY ZANDARY‼️

FLM ANTSOHIHY : MIHAMAFANA NY RAHARAHA ▪️ MIEZAKA MITANDRO NY FILAMINANA NY ZANDARY‼️

Tsy sahy niditra nandroaka sy nanala entan’ny Pasitera Davida tao an-tranony aloha hatreto ireo voalaza fa olombitsy mpikomy. Rakotra mpitandro filaminana sy mpino rahateo ny toerana ka tany amin’ny tokantranon’olon-kafa tsy mpino no nifatratra ny hatezeran’izy ireo araka ny fanazavana.

Efa tonga ilay Pasitera hisolo an’i Davida kanefa tsy misy trano vonona handraisana azy eto Antsohihy ka voatery noroahin’ilay mpitarika ny hetsika ireo mpanofatranon-dRainy sady natsipitsipy ny entanan’izy ireo na efa nahaloa ofan-trano ara-dalàna aza‚ araka ny fitarainana nataony. Tsy mankasitraka ny fanesorana tampotampoka ny mpanofa ny tranoko aho‚ hoy ity Zokiolona Rain’ny filoham-piangonana ity nitaraina fa nisy nangalatra ny taratasin’ny taniny ary ilay zanany ihany no ahiany ho nanao izany ka namindra ny tany hisoratra amin’ny anarany‚ mba afahany manjaka tokana miaraka amin’ny vadiny izay voalaza fa sahy manevateva ireo mpanofa trano sady manao toetra tsy zaka no manipitsipy ka manimba entan’olona nefa mba mpivavaka ihany !

Vonona ny hijoro hatramin’ny farany izahay ary tsy mankasitraka ny tsindry izay ataon’ireo olombitsy mpikomy. Raha madio fo ilay Pasitera vaovao sy ilay Filohan’ny synodam-paritany‚ maninona tsy sahy miatrika anay fiangonana‚ maninona tsy sahy miatrika an’i Pasitera Davida ? Midika izany fa feno avonavona sy fiatsarambelatsihy amin’izy ireo fa ny Pasiteranay fona osoram-potaka sy halam-baraka‚ lotoina ary ampitovina amin’ny rajako izay tsy ankasitrahinay izany ary fanaovana tsinontsinona anay ny fijabahana sy fandikana ireo rafitra sy antanan-tohatra misy ato amin’ny fiangonana FLM Antsohihy‚ hoy ireo mpino nanamafy fa tsy hanaiky hatramin’ny farany ny mety fanaparam-pahefana ataon’ireo milaza ho mahitahita sy mahafantatra olona ambony ka mamboly korontana ao anaty fiangonana.

Hiafara amin’ny ady saritaka toy ny nataon’ireo mpino kristianina Jesosy Mamonjy izy ity raha mitohitohy fa miezaka mandamina ny OMC (Organe mixte de conception) mba tsy hahatongavana amin’izany. Ao anaty fanangonana ireo lainga tsara lahatra afahana manoso-potaka an’i Pasitera ireo voalaza ho mpikomy‚ raha ny loharanom-baovao voaray hatreto.

Andrasana ny fanazavana ataon’ny Filohan’ny Synodam-paritany sy ireo voatonotonona ho mpanakorontana‚ arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment