a
FandraisanaVaovaom-paritraFIZARAZARANA NY FARITRA‚ FAMETRAHANA FARITRA FAHA-24 : LAHARAM-PAHAMEHANA TOKOA VE⁉️

FIZARAZARANA NY FARITRA‚ FAMETRAHANA FARITRA FAHA-24 : LAHARAM-PAHAMEHANA TOKOA VE⁉️

FIZARAZARANA NY FARITRA‚ FAMETRAHANA FARITRA FAHA-24 : LAHARAM-PAHAMEHANA TOKOA VE⁉️

Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra omaly Alarobia 07 Jona 2023 fa hoapetraka eto Madagasikara ny faritra faha-24‚ nomena anarana Ambatosoa‚ izay misy Distrika roa (Maroantsetra sy Mananara).

Hatomboka tsy hoela ny fanorenana ny fotodrafitrasa birao na lapan’ny faritra Ambatosoa‚ hotendrena ihany koa ny Governoram-paritra hitantana izany. Hidina ifotony hanafaingana ny fametrahana ireo rehetra ireo ny minisitra tompon’andraikitra araka ny fampahafantarana tamin’ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra.

Tena izy ve sa inona zava-misy marina ? Hoy ny mpanara-baovao mametra-panontania. Tsikaritra mantsy‚ araka ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra omaly io fa tsy hoasim-panovana ny lalàna momba ny teti-bola 2023. Midika ve izany fa efa tafiditra mialoha tao anatin’ity teti-bola nolanian’ireo Solombavambahoaka sy ireo herivelona voakasikin’ny fandaminana izany ny fametrahana ilay faritra faha-24 fa natao nangingina fotsiny sa vola avy aiza hanatanterahana ireo fotodrafitrasa nolazaina ireo‚ eny na ny karaman’ireo tompon’andraikitra hisahana ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ilay faritra vaovao ?

Izao tokoa ilay hoe‚ zarazarao hanjakana. Ahiana ny hisiany faritra faha-25 ka hatramin’ny 30 raha ho zarazaraina mora tahaka izao ny faritra eto Madagasikara. Raha ny fantatra mantsy latsakin’ny 10% ny fitsinjarana tolo-bidy‚ volam-panjakana na teti-bolam-panjakana eto Madagasikara izay zarazaraina amin’ireo faritra 23‚ efa nitombo 24 ankehitriny‚ 90% mahery kosa mijanona ao amin’ny fanjakana foibe ao Antananarivo ny fitantanana azy. Izany hoe‚ samy manana 0,..% ny faritra tsirairay ny taona 2019. Tsy miala lavitra io nandritra ny taona mifandimby hatramin’izao‚ raha ny fanazavana nataon’ireo Malagasy tongasaina‚ manoloana ny zava-misy ankehitriny.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment