a
FandraisanaSosialyFIZAMAMI : FENO 20 TAONA

FIZAMAMI : FENO 20 TAONA

FIZAMAMI : FENO 20 TAONA

Nomarihina tamin’ny fomba miavaka tao amin’ny Tranompokonolona Antsohihy ‚ omaly 11 Mars 2023 ny faha-20 taona ny fikambanana Zanaka Maevarano Miray na FIZAMAMI ‚ izay hitambarany zanaky ny kaominina 04 andalovany renirano Maevarano dia Ambaliha ‚ Andreba ‚ Ambodimadiro ary Befotaka avaratra . Vory maro ‚ niara-nifaly sady nifampiarahaba tratry ny taona 2023 ireo mpikambana mivondrona ao anaty fikambanana sy ireo fikambanana nahazo fanasana ary ireo manampahefana.

 Notsiahivina nandritra ny lanonana ny tantaran’ny fikambanana ‚ nomena mari-pahatsiarovana sy nomena voninahitra tamin’ny alalany fisaronana ireo nitarika sy namorona fikambanana voalohany ary ny filoha amperinasa ankehitriny ‚ toraka izany ihany koa ireo filoha mpitarika sy nisolontena fikambanana avy amin’ny faritra hafa izay nahazo fanasana ary ireo Ben’ny tanàna avy amin’ireo kaominina andalovany rano Maevarano.

Efa misandrahaka manerana an’i Madagasikara ny fikambanana ho fanamafisana ny firaisankina sy fifanampiana ary fifampitsinjovana amin’ny samy zanaky Maevarano . Omby roa no lavo nanaovana lanonana ‚ nitondra teny fisaorana amin’ireo olona rehetra nanampy tamin’ny hetsika ny filohan’ny fikambanana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment