FIZADIASO ( FIKAMBANAN’NY ZANAKA DIANA SOFIA ) : NIARA-PALY FA TRATRY NY TAOM-BAOVAO 2023
Amin’ny FIZADIASO no mivondrona ireo zanaky ny faritra Diana ( Diego-Suarez ‚ Ambilobe ‚ Nosy-Be ‚ Ambanja ) izay miasa sy mipetraka eto Antsohihy ‚ Faritra Sofia.
Ho fanamafisana ny firaisankina sy fifankatiavana dia nisy ny fety ‚ fiarahana mifaly fa tratry ny taom-baovao 2023 ‚ omaly 04 Febroary 2023.
Misokatra hoan’ny rehetra izay liana ny Fikambanana ary vonona ny handray ireo izay voakasika izany ny birao mitarika ny fikambanana ‚ tarihiny filoha Franchard Patrick.
Nandritra ny lanonana no nanoloran’ireo mpikambana avy ao amin’ny Association MIAHY fanomezana miavaka hoan’ny FIZADIASO.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.