a
FandraisanaVaovaom-paritraFITRANDRAHANA FASI-MAINTY ATAON’NY ORINASA BASE TOLIARA : HANIMBA ENDRIKY NY FITONDRANA RAHA TSY VOAFEHY NA VOAVAHA NY OLANA▪️TAKIAN’NY FIRAISAMONIM-PIRENENA IFOTONY NY HAMPITSAHARANA AZY

FITRANDRAHANA FASI-MAINTY ATAON’NY ORINASA BASE TOLIARA : HANIMBA ENDRIKY NY FITONDRANA RAHA TSY VOAFEHY NA VOAVAHA NY OLANA▪️TAKIAN’NY FIRAISAMONIM-PIRENENA IFOTONY NY HAMPITSAHARANA AZY

FITRANDRAHANA FASI-MAINTY ATAON’NY ORINASA BASE TOLIARA : HANIMBA ENDRIKY NY FITONDRANA RAHA TSY VOAFEHY NA VOAVAHA NY OLANA▪️TAKIAN’NY FIRAISAMONIM-PIRENENA IFOTONY NY HAMPITSAHARANA AZY

Raha nanao be marenina ireo tompon’andraikitra nanaovana fitakiana fampitsaharana ity tetik’asa voalaza fa mampidi-doza ny zanaka Toliara ity dia tsy mbola kivy fa manohy hatrany ny tolona ‚ ny vondron’ny firaisamonim-pirenena izay miaro ny tontolo iainana ifotony sy ireo ny zon’olombelona ary indrindra ny hoavin’ny taranaka faramandimby ‚ fandrao mba hisy hiaino ihany na hahatsapa tena ka hitsinjo vahoaka Malagasy izay hizaka ny voka-dratsy ateraky ny fitrandrahana fasi-mainty ataon’ny orinasa Base Toliara ao amin’ny faritra Ranobe ary hapitsahatra izany.

Omaly 03 Febroary 2023 ‚ nanao fanambarana ireo vondrona voalaza etsy ambony ‚ mitaky ny handraisana fitondram-panjakana fepetra haingana amin’ny fampitsaharana io asa fitrandrahana io ‚ ho fitsinjovana ny vahoaka ifotony ‚ amin’ny fisian’ny radioactivité aterany izay hanimbana tanteraka ny tanàna sy fari-piainan’ireo mponina ifotony ka izany no atom-pijoroan’izy ireo.

Efa nitaka sy nanaitra ny fitondram-panjakana ny mpanakanto Theo Rakotovao zanak’iny faritra iny ‚ mpanao politika sady Solombavambahoaka voafidy tao Toliara Siteny Andrianasoloniaiko ary vahoaka maro saingy tsy mbola voasaka amin’ny fanatanterahana ny asany ilay Orinasa voalaza ‚ izao indray mitaky ny firaisamonim-pirenena ifotony ‚ andrasana ny mety ho tohiny fa ahiana ny hisiany korontana eny ifotony raha tsy voafehy na voavaha ity olàna ity.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment