a
FandraisanaVaovaom-paritraFITONDRANA RAJOELINA : HAMETRAKA FITSINJARAM-PAHEFANA TENA IZY NA MIABO

FITONDRANA RAJOELINA : HAMETRAKA FITSINJARAM-PAHEFANA TENA IZY NA MIABO

FITONDRANA RAJOELINA : HAMETRAKA FITSINJARAM-PAHEFANA TENA IZY NA MIABO

Dradraina fona matetika fa ampiharina eto Madagasikara ny fitsinjaram-pahefana miabo na tena izy mba afahana mampandroso haingana ny faritra 23 . Nifanesy ‚ nifandimby ny fitondrana ‚ samy milaza hametraka izany avokoa izay tonga saingy nofinofy sy fampiesonana ary fanasana ati-dohan’ny vahoaka amin’ny faritra no betsaka . 90% ny volam-panjakana ( Volam-bahoaka ) ampiasaina eto Madagasikara dia ampiasaina sy tantanin’ny fanjakana foibe ( centrale ) avokoa ‚ 10% raha betsaka zaraina hoan’ny faritra 23 manerana an’i Madagasikara ‚ zara raha mahazo iray isan-jato ( 01% ) ny isam-paritra kanefa 90% maherin’io vola io dia avy any amin’ny faritra avokoa.

 Terena tsy maintsy mitondra fampandrosoana amin’ny faritra misy azy ireo Governora sy ireo tompon’andraikitra ara-panjakana aty ifotony ‚ ny vola ampiasaina Zara raha misy ‚ ny fitaovana tsizarizary na seza ipetrahana aza tsy misy amin’ny biraom-panjakana sasany na misy aza anefa ny sasany ‚ seza efa lao sy mangozohozo ary tsy mendrika ilay biraom-panjakana akory . Omena tsiny sy bedisina mafy mihitsy izy ireo rehefa misy fahadisoana kely amin’ny fikarakarana antontan-taratasy ilaina amin’ny famoham-bola anaovana ny asa ohatra ‚ betsaka amin’ireo Ben’ny tanàna no efa nahiditra am-ponja noho izany… Mitarazoka araka izany ny raraham-panjakana sy ny fampandrosoana.

Fampahoriana vahoaka sy ny tompon’andraikitra ifotony ‚ fanandevozana ankolaka ‚ fitavan-tena manokana no heverina ho mahadika ny izany rehetra izany . Manakaiky indray ny fifidianana izao ‚ mandeha ny atrik’asa etsy sy eroa ‚ fakan-kevitra amin’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy na mihabo eto Madagasikara . Nisy ny dinik’asa niarahana tamin’ny solombavam-bahoaka ‚ Governoran’ny faritra ‚ ny lehiben’ny Prefektiora ‚ lehiben’ny Distrika sy ireo lehiben’ny sampandraharaha maro ‚ ireo Ben’ny tanàna ato amin’ny faritra Sofia ny 06 Oktobra 2022 ‚ nandritra ny 02 andro ‚ izay nifarana omaly 07 Oktobra 2022.

Nifantoka tanteraka amin’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy sy mihabo io faran’izay malaky ny adi-hevitra malalaka ka samy namoaka ny heviny ny mpizaika tsirairay . « Efa tonga tao aminay io tolo-dalàna io ary efa nolanianay ka mba ampiharo amin’izay ! » hoy ny solombavam-bahoaka voafidy tao Analalava Djaossera Irénée sady hentitra . « Fisakanana fampandrosoana ny faritra sy ny firenena Malagasy ny tsy fampiharana ny fitsinjaram-pahefana tena izy eto Madagasikara ‚ hita taratra ny fahavononany filoham-pirenena Andry Rajoelina ‚ amin’ny famerenana ireo fitaovana fanamboaran-dalana sns saingy mbola misy ireo olona misakana izany ka tonkony andraisana fepetra raha mikatsaka izany fampandrosoana izany tokoa atsika » ‚ hoy ny Jeneraly Lylyson René de Rolland Governoran’ny faritra ‚ nitondra ny heviny ary mangetaheta ny hampiharana izany haingana eto Madagasikara.

Nilaza moa ny Tale Jeneraly avy eo anivon’ny ministeran’ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana ‚ Atoa Mahazoasy fa tsy mitovy ireo atrik’asa efa nandalo hatrizay ity natao niaraka tamin’ny fandaharan’asa TAFO MIHAAVO ity fa tena ho tanteraka sy ho tanterahina tsy hoela tokoa ny faniriana sy hetaheta voaray isam-paritra mandritra ny hetsika fakan-kevitra natao . Atoato ihany dia efa hisy vokany ny atrik’asa natao ity.

Andrasana araka ny zava-hiseho aorian’ity atrik’asa ity na ho tanteraka araka ny faniriana tokoa na hijanona ho lela mamy na werawera tahaka ny mahazatra ihany.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment