a
FandraisanaVaovaom-paritraFIRST ÉNERGIE ANTSOHIHY : TSY MBOLA VOAFARITRA MAZAVA NY FOTOANA HAHAFOANA NY “DÉLESTAGE” FA MANAO EZAKA NY TEKNISININA

FIRST ÉNERGIE ANTSOHIHY : TSY MBOLA VOAFARITRA MAZAVA NY FOTOANA HAHAFOANA NY “DÉLESTAGE” FA MANAO EZAKA NY TEKNISININA

FIRST ÉNERGIE ANTSOHIHY : TSY MBOLA VOAFARITRA MAZAVA NY FOTOANA HAHAFOANA NY “DÉLESTAGE” FA MANAO EZAKA NY TEKNISININA

Andro vitsy sisa dia hifarana ny volana Janoary 2023 . Tsy mbola voavaha na voafehin’ireo tompon’andraikitra hatreto ny olan’ny fahatapahany herinaratra ( délestage ) ‚ na efa nanafatra milina miisa roa vaovao avy any Antananarivo aza ny Governoran’ny Faritra Sofia.

« Miisa 04 ny milina ampiasaina ato amin’ny “SITE FIRST ÉNERGIE” Antsohihy ‚ Manana tanjaka 1200 KWH ny iray ‚ milina manana tanjaka 340 KWH miisa roa ary milina faha efatra manana tanjaka 490 KWH . Nisy fahasimbana kely ilay milina avy tany Antananarivo ka efa vita tamin’ny omaly sy efa mandeha ankehitriny fa ilay milina manana tanjaka 1200 KW voalaza etsy ambony dia mbola ao anaty fanamboarana azy ny teknisinina ‚ ezahanay amboarina haingana ‚ kanefa misy entana tsy maintsy afarina avy any Antananarivo ‚ ny lalana anefa iarahana mahalala fa tapaka » ‚ hoy ny fanazavana nataony Ramamonjisoa Tsiry ‚ tompon’andraikitra misahana ny site first énergie Antsohihy androany 26 Janoary 2023 ‚ raha nanontaniana mpanao gazety.

1400 KWH ny filàny tanànan’i Antsohihy ny herinaratra kanefa milina 03 ihany no mandeha hatreto ary 960 KWH eo ny vokatra omen’izy telo miaraka . Tsy afaka mandeha irery ny “panneaux solaires” fa tsy maintsy mila “tension de référence” ‚ mila milina miaraka aminy ‚ ny andro zao koa somary ratsiratsy dia ambany ny vokatra omeny “panneaux solaires” . Tsy mbola azo eritreretina ( TSY POSSIBLE ) ny fotoana hahafoana ny “délestage” raha tsy efa voamboatra ilay milina manana tanjaka 1200 KWH ary efa eo ampamitana izany ny Teknisinina ‚ hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity nitondra fanazavana.

Eo ampiandrasana izany rehetra izany dia miely ny feo sy vaovao amin’ny mety hisiany hetsika ataon’ireo izay tofoka sy leo fahatapahan-jiro lavareny eto Antsohihy ny sabotsy 28 Janoary 2023 izao ‚ hisy ny fivoriana ho atao ao amin’ny EPP AMBALABE saingy raha ny fanadihadiana natao hatreto dia toa tsy mbola nahazo fankatoavana avy amin’ny manampahefana amin’ny hampiasana io sekoly io ireo mpitarika ny hetsika izay tsy mbola fantatra mazava hatreto . Arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment