FIRST ÉNERGIE ANTSOHIHY : TSY MAHAVAHA OLAN’NY HERINARATRA▪️ TOKONY HAMETRAPIALANA NY TOMPON’ANDRAIKITRA NA AVERINA AMIN’NY JIRAMA NY FITANTANANA
Ny taona 2020 no nanomboka nandray an-tànana ny famokarana herinaratra ny FIRST ÉNERGIE ary nilaza fa hanafoana ny “délestage” amin’ny alan’io orinasa mpamokatra herinaratra io ny fitondram-panjakana mijoro ankehitriny . Tsy tanteraka anefa izany hatramin’izao 02 Janoary 2023 ‚ ny tompon’andraikitra eo anivon’ity orinasa ity ve izany no tsy mahafehy ny asany sa efa fanahiniana ‚ hanimbana endrika ny JIRAMA sy ny fitondram-panjakana mijoro ankehitriny ny “délestage” lavareny aterany ? Amin’izay ihany koa tsy mba misy fialantsiny na filazana mialoha hoan’ny mpanjifa manefa vola isam-bolana fa tapahina degany araka izay tiany sy metimety aminy.
Ny JIRAMA sy ny laharana faha-13 ihany no mahazo tsiny sy misedra ireo tevateva ary vava-ratsy ataon’ny mpanjifa izay misedra olana noho ny fahatapahan-jiro lavareny ka tezitra sy romotra . Tsy fanajana ‚ famonoana ankolaka mihitsy izao mitranga izao ‚ mikatso ny fidiram-bola rehetra ‚ tsy zarizary ny fihariana rehetra kanefa fety ny andro ‚ mila vola ‚ ny ankohonana sy ny fianakaviana tsy maintsy misakafo . Tokony hametra-pialana ny tompon’andraikitra eo anivon’ny FIRST ÉNERGIE Antsohihy fa tsy mahavaha olàna ‚ na koa averena amin’ny JIRAMA ny famokarana sy ny fitantanan-draharaha momba ny herinaratra eto Antsohihy fa tsy voafehin’izy ireo mihitsy e ‚ hoy ny feon’ny vahoaka mimenomenona sy romotra mafy eny anivon’ny Fiarahamonina.
Tsy matotra mihitsy ‚ izay no azo ilazana ny zava-misy ankehitriny . Hita taratra amin’ny fomba fiasany ny fahaiza-mitantana sy fanaovana tsinotsinona ny mpanjifa ka tokony andraisany fitondram-panjakana fepetra haingana mba tsy hitarany zavatra Hafahafa ‚ hoy hatrany ny resaka miely.
Tofoka araka izany ny vahoaka ‚ leo ny fahatapahan-jiro lavareny ! Raha tsiahivina ny zava-nisy dia tao anaty haizin-kitroka tsy nisy hazavana no nandraisany vahoakan’i Antsohihy ny taom-baovao 2023 noho ny fahatapahany herinaratra nanomboka tamin’ny 07 Ora ariva ny 31 Desambra 2022 hatramin’ny 01 Ora marainan’ny 01 Janoary 2023 tany ho any vao niverina ary nitsitapitapy ‚ hatramin’ny 06 Ora maraina aza moa ny amin’ny fokontany sasany raha ny fanazavana.
Tsy vao sambany fa efa tapakatapaka hatrany ny herinaratra teto Antsohihy nandritran’ny lalao fiadiana ny amboara eran-tany ( Coupe Du Monde ) teo ‚ ireo jiro mipeteka amin’ny andrin-jiro ( poteau ) manamorona ny lalam-pirenena ireny ihany no sisa mandeha ara-dalàna indraindray.