a
FandraisanaNon classéFIRST ÉNERGIE ANTSOHIHY : MIKETRIKA FANAKORONTANA – NOSIBAINY AVOKOA NY MILINA MIISA 03 MAMOKATRA HERINARATRA MBA HAHAROMOTRA VAHOAKA⁉️

FIRST ÉNERGIE ANTSOHIHY : MIKETRIKA FANAKORONTANA – NOSIBAINY AVOKOA NY MILINA MIISA 03 MAMOKATRA HERINARATRA MBA HAHAROMOTRA VAHOAKA⁉️

FIRST ÉNERGIE ANTSOHIHY : MIKETRIKA FANAKORONTANA – NOSIBAINY AVOKOA NY MILINA MIISA 03 MAMOKATRA HERINARATRA MBA HAHAROMOTRA VAHOAKA⁉️

Efa misokatra ny fanadihadiana amin’ireo tompon’andraikitra niasa nandritra ny telo andro tao amin’ny First Énergie‚ Ivon-toeram-pamokarana herinaratra eto Antsohihy. Raha ny fanazavana nataon’ny Jly Lylyson René de Rolland – Governora Faritra Sofia dia fanahinian’ireo tompon’andraikitra ao amin’io Orinasa io mihitsy nanimba fitaovana vaovao‚ milina miisa 03 izay vao nafarina kenefa niaraka simba sahady.

Milina iray ihany sisa mandeha ankehitriny‚ Tsy maintsy ataon’izy ireo ny ezaka rehetra‚ hamerenana ny herinaratra mialoha ny alahady 25 Jona 2023‚ hoy ny teny hentitra sy baiko nomen’Atoa Governora ireo tompon’andraikitra izay manao kitoatoa ny asany sady heverina ho miketrika fanakorontanana amin’izao fiatrehana ny fetim-pirenena Malagasy izao. Andrasana ny mety valin’ny fanadihadiana ataon’ny zandary sy famahana olàna faran’izay haingana.

Marihina fa efa voavaha ny olàn’ny solika ary efa nanafatra milina vaovao miisa roa ny Governora Faritra Sofia tamin’ny olàna nitranga teo aloha kanefa efa hatramin’ny omaly maraina ny 20 Jona 2023 no tapaka ny herinaratra tamin’ny fokontany sasany teto Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia‚ izay tsy mbola niverina hatramin’izao fotoana anoratana izao. “Raisiko ho faminganana ( sabotage ) aho‚ amin’ny ezaka rehetra ataoko izao” hoy hatrany ny Governoran’ny faritra Sofia.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment