a
FandraisanaRaharaham-pirenenaFIPARITAHAN’NY HORONAM-PEO MIRAKITRA NY FIFAMPIRESAHAN’NY SEG SY NY FILOHAN’NY REPOBLIKA : OLONA HATRAMIN’NY 15 NO ANAOVANA FANADIHADIANA ‼️

FIPARITAHAN’NY HORONAM-PEO MIRAKITRA NY FIFAMPIRESAHAN’NY SEG SY NY FILOHAN’NY REPOBLIKA : OLONA HATRAMIN’NY 15 NO ANAOVANA FANADIHADIANA ‼️

FIPARITAHAN’NY HORONAM-PEO MIRAKITRA NY FIFAMPIRESAHAN’NY SEG SY NY FILOHAN’NY REPOBLIKA : OLONA HATRAMIN’NY 15 NO ANAOVANA FANADIHADIANA ‼️

Olona 15 hatreto no voalaza fa atao famotorana momba ny raharaha fiparitahan’ny fifampiresahana nataon’ny SEG sy Filohan’ny Repoblika . Raha ny vaovao miely dia tsy latsaky ny 80 ireo mpikambana ao anatin’ny groupe whatsapp an’ny zandarimaria naharay ilay horonam-peo.

Mety ho sivily mety ho olona eo anivon’ny zandary ihany no tomponantoka tamin’ny famoahana izany . Vesatra ahafahana manenjika ny voakasika amin’izany ny famoahana tsiambaratelo sy fanohitohinana filaminambahoaka.

Tsiahivina fa minisitra iray sy Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena no nandefasan’ny filohan’ny Repoblika iny hafatra iny ka heverina ho iray amin’ireo no nizara izany tamin’olon-kafa na tamin’ireo mpiaramiasa aminy na tamin’olon-tsotra tsy ao anatin’ilay rafitra misy mihitsy . Andrasana ny mety ho tohiny fanadihadiana sy famotorana ataon’ireo manampahefana amin’izany.

Tsy fahafehezana ny asany na famadiham-pitokisana no azo andikana ny fiparitahany fifampiresahana na toromarika omeny filohan’ny Repoblika tahaka izao ka tsy azo ekena ary zava-doza hoan’ny firenena ‚ hoy ny Tale Jeneralin’ny fiadidiana ny Repoblika teo aloha.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment