a
FandraisanaFambolena sy fiompinaFIOMPIANA TANTELY SY NY FAMETRAHANA ARY FIAROVANA NY TONTOLO MAITSO AO ANJIAMANGIRINA : MIARA MIASA NY FOKONOLONA SY MADAFAR ARY DREDD SOFIA

FIOMPIANA TANTELY SY NY FAMETRAHANA ARY FIAROVANA NY TONTOLO MAITSO AO ANJIAMANGIRINA : MIARA MIASA NY FOKONOLONA SY MADAFAR ARY DREDD SOFIA

FIOMPIANA TANTELY SY NY FAMETRAHANA ARY FIAROVANA NY TONTOLO MAITSO AO ANJIAMANGIRINA : MIARA MIASA NY FOKONOLONA SY MADAFAR ARY DREDD SOFIA

Ao amin’ny tendrombohitra Magnàsamody ‚ kaominina Anjiamangirina Distrikan’i Antsohihy no misy atiala mikitroka‚ izay mbola ahitana biby maro karazany ‚ toy ireo haihai izay ahiana ho lany tamingana ka mila fiarovana . Nilaza ny fahavononany ary resy lahatra ny fokonolona amin’ny fiarovana io atiala io ‚ raha nidina ifotony nifampiresaka tamin’ireo solontenan’ny mponina ny Talem-paritry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy Sofia ‚ Clermont Manantsoa ny faraparany herinandro teo.

Tsy hijanonana amin’ny fiarovana ihany fa natolotra sy nampahafantarina nandritra ny fidinana ifotony nataon’ity Tale vaovao misahana ny tontolo iainana ato amin’ny Faritra Sofia ity ny fisian’ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Association MADA-FAR ‚ izay vonona hiara-hientana amin’ny fiarovana ny atiala sy hanatanteraka fambolen-kazo ary hanofana ireo tanora sy ireo miantsehatra amin’ny fiompiana tantely ao Anjiamangirina.

Tanjona hampitomboana ireo tanora ifotony tsy an’asa sy ny hifantohan’izy ireo amin’ny fihariana izay miankina firoboroboan’ny fiarovana ny tontolo iainana izay manodidina iny tendrombohitra Magnàsamody iny.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment