a
FandraisanaVaovaom-paritraFILOHAN’NY SENDIKA TAXI-VILLE ANTSOHIHY : MIHEVITRA OLONA HO KETRINA SY MAIVAN-DOHA MITOVY AZY

FILOHAN’NY SENDIKA TAXI-VILLE ANTSOHIHY : MIHEVITRA OLONA HO KETRINA SY MAIVAN-DOHA MITOVY AZY

FILOHAN’NY SENDIKA TAXI-VILLE ANTSOHIHY : MIHEVITRA OLONA HO KETRINA SY MAIVAN-DOHA MITOVY AZY

 Niloa-bava ny ankamaroan’ny mpanara-baovao fa ilaina tokoa ny mianatra sy mandalina mialohan’ny hiditra amin’ny sehatra iray izay tiana kanefa tsy voafehy . Fiara tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny ivontoerana misahana ny fitsirihana fiarakodia ( inapte ) ka tsy nomen’ny kaominina fahazahoan-dalana hiasa ( licence de l’exploitation Taxi-ville ) no fototry ny olàna ‚ nitarina ho zavatra hafa ary niteraka disadisa . Teren’ingahy filohan’ny sendika ho tsy maintsy omen’ny kaominina fahazahoan-dalana hiasa ireo fiara tsy ara-dalàna ( inapte ) ‚ izay toherin’ny Sekretera jeneralin’ny kaominina ho fitsinjovana ny aim-bahoaka eto Antsohihy ‚ araka ny fanazavana voaray.

 «Karaha tiako ndreky Bajaj io miditra eto satria roa taona mampiasa azy antègna efa miharina amin’ny tegna ilay izy»‚hoy ny filohan’ny sendika tafaresaka tamin’olona teto Antsohihy araka ny fanazavana . Iniana ambolena araka izany ve ny disadisa sy korontanina ny saim-bahoaka mba mba hidirany Bajaj ? Ny fanadihadiana natao mantsy no nahafantarana fa tsy manana fiara ampiasaina manao Taxi-ville intsony ity filohan’ny sendika ity amin’izao ‚ heverina ho mitombina araka izany io fikasan’io mba ahazahoany tombony . Ny tompon’ny fiara rahateo efa tsy matoky azy intsony noho izy mivadibadika sahala amin’ny lokon’ny tanalahy ‚ tsy mena-mivadika sahala amin’ny toetrandro ary tsy mahazaka mahita vola na mandre resa-bola . Efa filohan’ny fikambanana Dina Besaboha tao Analamanga moa izy teo aloha ‚ saika niharan’ny fitsaram-bahoaka rehefa nihinam-bolan’ny fikambanana . Miditra tsy amin’ny tokony idirana ary hatramin’ny olan’ny tokantranon’olona mila idarany sahala amin’ny zava-misy ankehitriny ‚ resaka fangatahan-dalana hiasa hanao Taxi-ville ( licence de l’exploitation Taxi-ville ) no niandohan-draharaha ‚ kanefa nitarina amin’ny zavatra hafa ‚ fitakiana momba ny dabam-pako sy fako…ka maro ireo milaza misy mamporisika azy any handotoana ny Ben’ny tanàna amperinasa ‚ efa akaiky rahateo ny fitoam-pifidianana ka mitady saribakoly ampiasaina ireo mpanao politika ‚ hanimbana ny mpifanina heveriny ho matanjaka na atahorana amin’ny fifidianana ho avy.

Raha tena mikatsaka vahaolana tokoa ny filohan’ny sendika ka tsy misy ambadika dia tokony hisy fivoriambe hanaovana fitakiana iraisana mba hisiany vahaolana sahala amin’ny fitokonana nataon’izy ireo ny taon-dasa saingy tsy mbola nisy izany hatreto ary efa manomboka tsy asian’ny mpikambana hasina intsony ity farany raha tsy miova na manova fomba fiasa . Na efa tsy ankatoavin’izy ireo intsony ny filohan’ny sendika dia tokony hisy fivoriana fona iraisan’ny mpamily taxi-ville rehetra ‚ hikaonan-doha handaminan-draharaha miaraka amin’ny tompon’andraikitra mba tsy hisiany fanapahan-kevitra hafa na koa mety fampidirana Bajaj hiasa eto Antsohihy ‚ hoy ny olom-pirenena malala-tsaina naneho ny heviny sady miantso fitoniana sy filaminana aterakin’ny fandrebirebena ataon’ny filohan’ny sendika Taxi-ville.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment