a
FandraisanaVaovaom-paritraFILOHAN’NY ANTENIMIERAMPIRENENA : VERY NISY NAKA TAO AN-TRANONY NY POKETRA SY NY FINDAINY‼️

FILOHAN’NY ANTENIMIERAMPIRENENA : VERY NISY NAKA TAO AN-TRANONY NY POKETRA SY NY FINDAINY‼️

FILOHAN’NY ANTENIMIERAMPIRENENA : VERY NISY NAKA TAO AN-TRANONY NY POKETRA SY NY FINDAINY‼️

Nampahafantatra tao amin’ny pejiny ny Filohan’ny Antenimierampirenena RAZANAMAHASOA Christine fa nisy niditra antsokosoko tao amin’ny trano fonenany, omaly sabotsy alina 20 mey 2023.

Very nandritra izany ny finday fampiasany izay marihana fa ahitana ny fifandraisany rehetra sy ny ordinateur de bureau (écran plat miaraka amin’ny Unité Centrale) ary ny poketra marron misy vola.

Fantatr’ireo mpanao ratsy ny zavatra notadiaviny satria any anatin’ireo finday ireo avokoa ny mombamomba azy mivady manokana ary tsy nisy zavatra hafa very tao an-Trano ankoatra ireo.

Tsy nahitana fahasimbana ny fidirana rehetra tao an-trano. Melohina tanteraka ny fihetsika toy izao satria ahiana hisy hevi-dratsy ambadika kasaina atao‚ hoy ny fanambarany.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment