a
FandraisanaRaharaham-pirenenaFILOHAM-PIRENENA FRANTSAY EMANUEL MACRON : HANAMPY AN’I MADAGASIKARA AMIN’NY FIKARAKARANA FIFIDIANANA SY FANATANTERAHANA NY “PLAN ÉMERGENCE MADAGASCAR”⁉️

FILOHAM-PIRENENA FRANTSAY EMANUEL MACRON : HANAMPY AN’I MADAGASIKARA AMIN’NY FIKARAKARANA FIFIDIANANA SY FANATANTERAHANA NY “PLAN ÉMERGENCE MADAGASCAR”⁉️

FILOHAM-PIRENENA FRANTSAY EMANUEL MACRON : HANAMPY AN’I MADAGASIKARA AMIN’NY FIKARAKARANA FIFIDIANANA SY FANATANTERAHANA NY “PLAN ÉMERGENCE MADAGASCAR”⁉️

Hafaliana lehibe ho ahy ny nihaona indray tamin’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron teto amin’ny Lapam-panjakan’ny Élysée. Fihaonana natao hanamafisana bebe kokoa ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny Madagasikara sy La Frantsa, fa indrindra niresahana am-pirahalahiana ireo tanjona iraisana sy ireo fanamby goavana amin’ny lafiny maro, toy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimon’ny Nosy, ny fanamafisana ny fari-dranomasin’i Madagasikara, ny fanavaozana ny paikady ankapobeny mikasika ny sidina an’habakabaka sy ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro.

Deraiko manokana ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana Frantsay hanohana sy hiombona ezaka amin’ny fanatanterahana ny « Plan Émergence Madagascar » sy ny fanomanana fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra afaka volana vitsy.

Ity ihany koa ny fotoana nahafahako naneho fiombonam-pihetseham-po amin’ny vahoaka Frantsay iray manotolo, indrindra ireo izay niharan-doza sy ny fianakavian’izy ireo, taorian’ny asa fampihorohoroana nitranga tao Annecy ny alakamisy teo‚ hoy ny filoha Andry Rajoelina nanao tatitra ny diany tany Frantsa tao amin’ny pejiny.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment