a
FandraisanaPolitikaFILOHA ZAFY ALBERT : NODIMANDRY NIARAKA AMINY NY DEMOKRASIA

FILOHA ZAFY ALBERT : NODIMANDRY NIARAKA AMINY NY DEMOKRASIA

FILOHA ZAFY ALBERT : NODIMANDRY NIARAKA AMINY NY DEMOKRASIA

Tsaroana anio ny faha-05 taona namoizana ny Filoha Zafy Albert izay nodimandry ny 13 oktobra 2017 . Dimy taona katroka androany no nodimandry ny Filoha Zafy Albert.

Notondroina sy nosalorana anarana Rain’ny Demokrasia izy noho ireo ezaka maro vitany izay noezahina notakomana . Mpitari-tolona, mahery fo nitondra ny rivo-panovana teto amin’ny firenena ny filoha ZAFY ALBERT na efa Filoham-pirenena aza izy dia tsy nanambony tena fa nanakaiky ny vahoaka hatrany ‚ nanatona ireo vahoaka ambany ravin’ahitra rehetra any ‚ tamin’ny alalan’ilay antsoina hoe « Mada Raid » fa tsy nampiadan-tena tao an-dapa.

Nanamarika ny fitondrany ny nanombohany nametraka ny « Décentralisation » tena izy, izay tena ilain’ny firenena hatramin’izao fotoana iainantsika izao . Mahitsy fiteny, tsy mba miolakolaka na mandainga, be fandeferana, manetry tena. Ireo no toetra tena nitiavan’ny Malagasy azy, ary betsaka ireo mahatsiaro tena ho kamboty tokoa rehefa nilaozany, 5 taona lasa izay. Izany ka olo-mendrika e !
🔥 NY VATANA SY NOFO METY HO LEVONA FA NY TANTARA MIPETRAKA IHANY NA TSARA NA RATSY🔥
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment