FILOHA ANDRY RAJOELINA : NANKAHERY IREO MANAMBONINAHITRA AMIN’NY ADIDY MASINA IZAY IANTSOROHANY ‚ HOAN’I TANINDRAZANA
Tsaroana isan-taona ary manan-danja eo amin’ny Tafika Malagasy ny daty 12 JAONARY 1967 . Amin’ny maha Lehibe faratampon’ny foloalindahy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’izao taona 2023 izao dia nitondra teny fiarabana sy fankaherezana ireo manamboninahitra izy ary niaraka nitakosina sy nanamarika ity daty manana ny hajany ity tamin’ireo manamboninahitra.
Andro natao hamelomana aina ny fanajana ireo fomba amam-panao sy hanamafisana ny firaisankina eo anivon’ny foloalindahy. Mariky ny firaisankina rahateo ianareo manamboninahitra satria avy amin’ny vahoaka ianareo, avy amin’ny lafivalon’ny Nosy ary miasa ho an’ny vahoaka sy ny firenena . Amin’ny maha lehibe faratampon’ny foloalindahy ny tenako dia mankahery anareo aho mba hahatontosa ireo adidy goavana ankinin’ny firenena aminareo. Hohatevenitsika miaraka ireo ezaka efa natao hamerenana ny hasin’ny foloalindahy. Ary aoka ho tandrovana hatrany ny fanolorantena natao dia ny ho an’ny Tanindrazana ‚ hoy izy androany raha nankahery ireo manamboninahitra Malagasy.