a
FandraisanaTantaram-pirenenaFIKOMIANA NATAON’NY ZANDARY TENY FORT DUCHESNE ANTANANARIVO : TSAROANA ANDROANY 20 MEY 2023 NY FAHA-13 NAMOIZANA AN’NY GP2 RAMAROSON dit VAZAHA‼️

FIKOMIANA NATAON’NY ZANDARY TENY FORT DUCHESNE ANTANANARIVO : TSAROANA ANDROANY 20 MEY 2023 NY FAHA-13 NAMOIZANA AN’NY GP2 RAMAROSON dit VAZAHA‼️

FIKOMIANA NATAON’NY ZANDARY TENY FORT DUCHESNE ANTANANARIVO : TSAROANA ANDROANY 20 MEY 2023 NY FAHA-13 NAMOIZANA AN’NY GP2 RAMAROSON dit VAZAHA‼️

20 Mey 2010 – 20 Mey 2023‚ Feno 13 taona androany ny namoizana ny Chef GP2 RAMAROSON dit VAZAHA‚ Tànan-kavanan’ny Kolonely Lylyson tamin’izany fotoana. Izy no naman’ny Kolonely Lylyson nampandry tany sy nifanehitra tamin’ireo dahalo raindahiny‚ mpampihorohoro vahoaka tany atsimo. Lavo nandritra ny fifandonana teo amin’ny samy zandary tao Fort Duchesne ny 20 Mey 2010.

Raha tsiahivina dia nisy tsy fifankazahoana teo amin’ny samy zandary tamin’izany fotoana‚ nisy fikomiana nataon’ny zandary sasany‚ niezaka nandamina ny EMMOREG izay notarihiny Kolonely Richard Ravalomanana tamin’izany saingy tsy nahatohitra ka niantso fanampiana avy amin’ny FIS (Force d’Intervention Spéciale) izay notarihiny Lieutenant Colonel Lylyson. Raikitra ny fifanjevoana mahery vaika‚ pao-basy tsy nifandrenesana tao Fort Duchesne.

Nivoaka mpandresy ireo zandary noho ny ezaka nataon’ny Kolonely Lylyson sy ireo zandary notarihiny‚ nahitana an’ny GP2 RAMAROSON dit VAZAHA izay nidaosim-pahafatesana noho ny tifitra nahazo azy tamin’io andro io.

Tsy maty kosehina ary mipetraka ho tantara tsy azo adonoina ao am-po sy miraiki-tampisaka ao an-tsaina ny fiarana tamin’itompokolahy Ramoroson‚ feno 13 taona androany nandaozana azy ka tsaroana hatrany fa nahavita be teto amin’ny firenena izy‚ hoy ny Jly Lylyson René de Rolland androany.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment