a
FandraisanaFambolena sy fiompinaFIFANARAHANA NAIROBI : TONTOLO IAINANA AN-DRANOMASINA VOAHARO▪️ VAHOAKA MIAINA MILAMINA SADY AMPY SAKAFO

FIFANARAHANA NAIROBI : TONTOLO IAINANA AN-DRANOMASINA VOAHARO▪️ VAHOAKA MIAINA MILAMINA SADY AMPY SAKAFO

FIFANARAHANA NAIROBI : TONTOLO IAINANA AN-DRANOMASINA VOAHARO▪️ VAHOAKA MIAINA MILAMINA SADY AMPY SAKAFO

 Distrika roa ato amin’ny Faritra Sofia ( Analalava sy Antsohihy ) izay manana morontsiraka no voakisiky ny fifanarahana Nairobi . Ity fifanarahana ity no miantoka ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny morontsiraka sy any anaty ranomasina amin’ny ilany andrefan’ny ranomasimbe indiana ‚ firenena ampolony no nifanaiky sy nifamatotra amin’ity fifanarahana ity ka tafiditra anatin’izany i Madagasikara.

Nidina ifotony tao Marovato sud ‚ kaominina Maromandia Distrika Analalava ny Mpandrindra Nasionaly Programan’asan’ny Fifanarahana Nairobi ( Coordonateur National du Programme de Travail de la Convention de Nairobi ) ‚ Atoa RASOANAINA Jacquis sy ireo delegasionina niaraka taminy ‚ nontronon’ny sekretera jeneraly avy amin’ny ministeran’ny jono sy toekarena manga ary ny Talem-paritry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy Sofia ‚ nampahafantatra ny vinan’ny fifanarahana sy ny tanjona ary tombotsoa azo avy aminy.

 Mba hahatratrarana ny tanjona amin’ny fiarovana ny rohivoahary izay voalaza etsy ambony dia omena tohana sy fampiofanana ireo tantsaha sy mpanjono ifotony araka ny filàny ‚ tohanana ara-bola ihany koa izy ireo amin’ny fambolen-kazo izay hataony mba ho vadin’asa sy hanampy azy amin’ny seha-pihariany ‚ izany hoe : sady mahazo vola ireo Tantsaha sy mpanjono no mahazo fihofanana matianina amin’ny seha-pihariany ‚ rakotra ala maitso ny morontsiraka ary mitombo sy miroborobo ny vokatra an-dranomasina izay efa ahiana ho lany tamingana noho ny fahapotehany atiala sy tontolo iainana.

Hanomboka tsy hoela ny asa ‚ efa fantatra nandritra tatitra nataon’ny CNRO ( Centre National de la Recherche Océanique ) ny olàna sy vahaolana miteraka ny fahasimbany ala honko sy ny ranomasina ato amin’ny Faritra Sofia.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment