a
FandraisanaKolontsaina sy TalentaFIDELIS SY NY TROMBANY : TSY MAINTSY MILAZA NY MARINA IREO MPANAO RATSY AMIN’NY TANÀNA ANDALOVANY▪️ LEHILAHY IRAY NITON-TENA HO NIVADY ALIKA ARY MISY NILAZA NY TENANY HO NIVADY ANABAVIN-DRAINY

FIDELIS SY NY TROMBANY : TSY MAINTSY MILAZA NY MARINA IREO MPANAO RATSY AMIN’NY TANÀNA ANDALOVANY▪️ LEHILAHY IRAY NITON-TENA HO NIVADY ALIKA ARY MISY NILAZA NY TENANY HO NIVADY ANABAVIN-DRAINY

FIDELIS SY NY TROMBANY : TSY MAINTSY MILAZA NY MARINA IREO MPANAO RATSY AMIN’NY TANÀNA ANDALOVANY▪️ LEHILAHY IRAY NITON-TENA HO NIVADY ALIKA ARY MISY NILAZA NY TENANY HO NIVADY ANABAVIN-DRAINY

 Betsaka ny tranga misy eny anivon’ny fiarahamonina fa ndeha ho resahitsika kely ny momba ity olona iray milaza ho misy Tromba na hery miafina mipetraka izay fantatra amin’ny anarana FIDELIS ity . Jaomalaza no mipetraka amiko ary izy no mamantatra ireo tranga sy zava-misy fa indrindra ireo zava-doza afenina ao anaty fiarahamonina ‚ tereny Jaomalaza tsy maintsy manambara ampahabemaso ny zavatra tsy mety ataony ireo olon-dratsy amin’ny toerana andalovany fa raha tsy izany Maty ilay olona mpanao ratsy ‚ araka ny fanazavana.

 Mandeha manao fitetezam-paritra eny ambanivohitra i FIDELIS ‚ mamaha ny olona ara-piarahamonina ary manadio ireo olon-dratsy sy fatorany mosavy . Betsaka ny toerana efa nalehany ary mivezivezy ato amin’ny faritra Sofia izy manao ny asany.

Tamin’ity volana Septambra 2022 ity dia nanaraka azy nanao tsidi-paritra i Dinand Rodiman izay fantatra amin’ny solon’anarana RADAKA avy ao Befandriana avaratra . Nandritra ny fidinana nataon’izy ireo no nahafantarana ny fijoroana vavolombelona nataon’ny tovolahy iray nivady ny alikany ( aboany ) ‚ nisy ihany koa lehilahy nivady iangivaviny na anambavin-dRainy . Nafenina sy natao mangingina tany ambadika tany izany mba tsy ho fantar’olona saingy nabaribary sy nolazaina ampahabemaso izany rehefa namory olona tao an-tanàna i FIDELIS.

Tahotra ny ho faty ve sa tena i Jaomalaza ( ilay hery mipetraka ao amin’i FIDELIS ) no mporisika ireo olona hibaradaka na hijoro vavolombelona eo imasom-bahoka ? Hoy ny fanontaniana apetrakin’ny mpanara-baovao . Nilaza moa i FIDELIS fa tsy azo enjehin’ny fitondram-panjakana ireo olona mijoro vavolombelona noho ny asa ratsy vitany mandritra ny hetsika ataony ‚ hafatra avy any amin’ny Jaomalaza izany araka ny fanazavana nataony.

Ankoatran’ireo niton-tena ho nivady alika sy nivady anambavin-dRainy dia misy ireo miton-tena ho nampinana vadiny ny malotony ‚ ireo miton-tena ho namono olona . Raha tena mafy sy masina tokoa i Jaomalaza‚ maninona tsy hoentin’ny Bianco na ireo mpanao fanadihadiana amin’ny tranga mahamenatra eto Madagasikara toy ny fanjavonany volamena nivadika ho vy sy ireo tompon’antoka amin’ny kolikoly sy raharaha tsy ahitana tohiny eto Madagasikara ? Hoy ireo mpisangisangy eny amin’ny fiarahamonina sady mametra-panontaniana momba an’i FIDELIS.
_______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment