a
FandraisanaVaovaom-paritraFIANARANTSOA : FOKONOLONA 105 NOSAMBORINA NOHO NY FITSARAM-BAHOAKA IZAY NAMOIZANA AIN’OLONA TELO (03) TAO LALAZANA‼️

FIANARANTSOA : FOKONOLONA 105 NOSAMBORINA NOHO NY FITSARAM-BAHOAKA IZAY NAMOIZANA AIN’OLONA TELO (03) TAO LALAZANA‼️

FIANARANTSOA : FOKONOLONA 105 NOSAMBORINA NOHO NY FITSARAM-BAHOAKA IZAY NAMOIZANA AIN’OLONA TELO (03) TAO LALAZANA‼️

Olona 04 nandeha fiara tsy mataho-dalana (4×4) nohahian’ny fokonolona tao Lalazana Fianarantsoa ho mpanao trafikan’olona no niharany fitsaram-bahoaka ny farany herinandro teo. Tsy nisy indrafo fa daroka sy vono no nitsena ireo olona tao anatiny‚ rehefa nandalo ny tanàna ity fiara 4×4 ity‚ maty noho izany olona telo (03) tao anaty fiara raha mbola voavonjy tao amin’ny Hôpitaly Tambohobe Fianarantsoa kosa ny iray izay naratra mafy‚ afaka nitantara ny zava-najohy azy. Olona mikirakira resaka vato izy ireto maty niharany fitsaram-bahoaka ireto araka ny fanazavana.

Nidina ifotony ny mpitandro filaminana manao fanadihadiana ary nisambotra olona 105 tao an-tanàna mba hatao famotorana. Andrasana ny mety ho tohiny fa simba tanteraka ilay fiara nanaovan’ny fokonolona azy.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment