a
FandraisanaSportFIAINANA : IZAY MIEZAKA MAFY IHANY NO TAFITA – HIPETRAKA ANY ALGÉRIE I KOLOINA RAZAFINDRANAIVO SY NY VADINY

FIAINANA : IZAY MIEZAKA MAFY IHANY NO TAFITA – HIPETRAKA ANY ALGÉRIE I KOLOINA RAZAFINDRANAIVO SY NY VADINY

FIAINANA : IZAY MIEZAKA MAFY IHANY NO TAFITA – HIPETRAKA ANY ALGÉRIE I KOLOINA RAZAFINDRANAIVO SY NY VADINY

Tamin’ny alalany baolina kitra no nifankahitanay voalohany ary nifanaiky fa hiara-dalana hamakivaky ny fiainana izay tsy mora . Mafy ireo sedra sy olana nandalovana saingy tsy kivy izahay ary teo fona aho nanampy an’i Koloina ‚ hoy Mendrika vadiny.

Tsy misy zavatra tongatonga ho azy tokoa ‚ mitaky herin-tsaina ‚ vatana ary ezaka mafy ny fahombiazana . Tsy mora ny kotrana sy dingana nahafana niakatra tamin’ny lalao manasa-dalana amin’ny CHAN izany fa tafavoaka noho ny fikirizan’i tsirairay ary fahavononana ny hiaro ny voninahim-pirenena Malagasy.

 Ekipam-pirenena Malagasy anisany namiratra tamin’iny lalao CHAN farany iny i Koloina Razafindranaivo na i Rakool ahafantarany maro azy sady nahatombo azy teo amin’ny taranja baolina kitra . Nilalao tao amin’ny CFFA Andoharanofotsy izy taloha ary izao nalain’ny MC ALGER hilalao any aminy . Efa vita sy efa milamina ny pitsopitsony momba ny antotan-taratasy rehetra ‚ efa natolotra azy ihany koa ny visa afahany mipetraka 03 taona ( 2023 – 2026 ) any Algérie ka ny Talata 14 Febroary 2023 izao izy tokony higadona ao amin’ny seranam-piaramadin’ny Houari Boumediene.

 8000€ ‚ manodidina ny 30 Tapitrisa Ariary mahery isam-bolana ny karamany ary betsaka ny tombontsoa ho azony ankoatran’izany . Hanaraka azy ny vadiny ary hiara-tsambatra aminy ihany koa.

 Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa ary ao anatin’indray mipimaso mety hiova tsy araka izay noheritreretinao ny fiainanao raha manao ezaka ‚ arahiny dingana ‚ ampian’ny fitiavana . Tanora 23 taona ‚ teraka tamin’ny taona 2000 i Rakool ‚ manana halava 1m74 ‚ efa hatramin’ny fahazazana izy no tia nilalao baolina kitra.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment