a
FandraisanaVaovaom-paritraFETY IREN-DOZA : PANTEKOSTA LAVITRA NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA‼️

FETY IREN-DOZA : PANTEKOSTA LAVITRA NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA‼️

FETY IREN-DOZA : PANTEKOSTA LAVITRA NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA‼️

Nomena toromarika ireo mpiantsehatra amin’ny fifamoivoizana : Mpitandro fialaminana‚ Solotenan’ireo Mpamily‚ solotenan’ny koperativa omaly 24 Mey 2023 tao amin’ny efitrano malalaka ny kaominina ambonivohitry Antsohihy. Voaresaka nandritra izany ny fanamafisana ny fanarahamaso atao amin’ny fiara mivezivezy eto an-tanàna sy eny amin’ny lalam-pirenena. “Tsy tokony hiasa ary natao ho amboarina ny fiara inapte ka tsy andeferana izay tratra dia andraisana fepetra avy hatrany ho fiarovana ny aim-bahoaka”‚ hoy ny Lehibe misahana ny Ivon-toerana fitsirihana ny fiarakodia eto Antsohihy. Tanjona ny hisiany filaminana mialoha sy mandritra ary aoriany fety‚ Pantekosta lavitry ny lozam-pifamoivoizana.

Nitarika ny fotoana ny Tale iraisam-paritry ny fitaterana Sofia – Betsiboka‚ ny ATT Sofia‚ ny Talem-paritry ny filaminam-bahoaka‚ ny Lehiben’Ivon-toerana misahana ny fitsirihana fiarakodia ary ny Ben’ny tanàna voafidy teto Antsohihy.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment