FENOARIVO EST : NOVIDIANANA MOTON’NY KAOMININA NY VOLAN’NY CIAD▪️MBA HANAFAINGANANA NY ASA FAMPANDROSOANA
Azo lazaina ho mangarahara sy mazava ihany ny nandaniana ny volan’ny CIAD2021 izay tantanin’ny solombavam-bahoaka ao amin’ny Distrikan’i Fenoarivo atsinana . Novidianana moton’ireo kaominina 14 mandrafitra ny Distrika izay nahavoafidy azy.
Betsaka amin’ireo solombavam-bahoaka no milaza sy manao tatitra mazava ny fandanianan’ny volan’ny CIAD amin’ny zavatra mivaingana fa ny sasany tsy fantatra mihitsy izay andaniany ilay vola be an-tapitrisany maro.
_______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.