FÉLICITATIONS NAZIR – MISTER CHAUFFEUR TAXI VILLE ANTSOHIHY
NAZIR TAXI no nisalotra ny anaram-boninahitra « MISTER » na tovolahy tsara tarehy sy mendrika indrindra amin’ireo mpamily TAXI VILLE eto Antsohihy . Tontonsa tao amin’ny Club Super Taureau ‚ omaly 01 Jolay 2022 ny fifaninana izay nandraisany mpamily TAXI VILLE maro anjara.
Hetsika natao hampiraisana sy hanamafisana orina ny fifankatiavana eo amin’ny samy mpamily TAXI VILLE . Anisany tovolahy ‚ manaja ny mpanjifa ary mahafehy ny asany i Nazir . Miarahaba sy mirary soa azy ho tonga amin’ny tanjona hiriana isika.