FDS : ADIDY TSY AN’OLON-DRATSY
Anisan’ireo tonga maro ‚ namaly ny antso sy fanasana nataon’ny Talem-paritry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy Sofia tamin’ny fanokafana ofisialy ny taom-pambolen-kazo rezionaly Sofia 2023 ireo mpitandro filaminana ( Zandary ‚ Polisy ‚ Miaramila ary mpandrarahan’ny fonja ).
Adidy tsy an’olon-dratsy ‚ nanao ezaka izy ireo ary nahavoly maro . Tao anaty fifaliana sy firaisan-kina tanteraka no nanaovan’izy ireo ny fambolen-kazo tamin’ny toerana malalaka ‚ voatokana ho azy.