FARITRA SOFIA RAKOTRA ALA HONKO : TANORA AN-JATONY MARO NO AHAZO ASA▪️HIROBOROBO NY SEHA-PAMOKARANA AN-DRANOMASINA ‚ AMIN’NY ALALANY FAMBOLENA ZANA-KAZO HONKO
Ho fanamafisana ny fiarovana ary indrindra hampiroboroboana ny fikobabiana ny ala honko ato amin’ny Faritra Sofia dia nisy ny fihaonana sy dinika niarahan’ny orinasa Bôndy sy ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ary solontenam-bahoaka ifotony androany 04 Febroary 2023.
Hanatevin-daharana amin’ny fiarovana ary fampiroboroboana ary fikobabiana ny ala honko ity orinasa Bôndy ity . Voalaza fa hampiasa olona ‚ ny tanora an-jatony maro ‚ hanao fambolena zana-kazo honko ‚ hanaramaso ny fitoboany ary hiaro azy tsy ho ringana ilay Orinasa hiasa ato amin’ny Faritra Sofia ( Analalava ‚ Antsohihy ‚ Port Bergé ).
Ny fikirakirana ny antotan-taratasy ara-panjakana ihany no mbola tsy afahana miroso amin’ny asa ‚ raha ny fanazavana voaray . Ny orinasa rahateo manaja ny antanan-tohatra misy ‚ ny fomban-tany ary ny safidim-bahoaka ifotony mba hampahomby ny famokarana ala honko amin’ireo Faritra voalaza ireo.