a
FandraisanaKolontsaina sy TalentaFARITRA SOFIA NO IVONTOERANY FANOMBOHANA OFISIALY NY FANAOVAM-BAKISINY FANEFITRA AMIN’NY KALEMY ( POLIO )

FARITRA SOFIA NO IVONTOERANY FANOMBOHANA OFISIALY NY FANAOVAM-BAKISINY FANEFITRA AMIN’NY KALEMY ( POLIO )

FARITRA SOFIA NO IVONTOERANY FANOMBOHANA OFISIALY NY FANAOVAM-BAKISINY FANEFITRA AMIN’NY KALEMY ( POLIO )

Tontonsa teo ambany fiahiany Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ‚ tamin’ny alalany sekretera jeneraliny sy ireo tompon’andraikitra solontena’ny mpiaramiombon’antoka OMS ‚ USAID ‚ UNICEF ‚ Ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tato amin’ny faritra Sofia ‚ ny Governoran’ny faritra ‚ ny lehiben’ny Prefektiora ‚ Ireo tompon’andraikitra Lehiben’ny sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ‚ ireo Ben’ny Tanàna sy vahoaka eto Antsohihy nisolontena ny faritra Sofia ‚ ny hetsika Nasionaly fanokafana ofisialy ny fanaovam-bakisiny miaro amin’ny aretin-doza kalemy na “ Polio ”.

Navitrika ireo Ray aman-dReny nitondra ny zanany ary mbola namporisika hatrany ny hanaovana vakisiny ny Governoran’ny faritra ‚ nambarany fa zava-poana izao rehetra izao raha tsy salama ny vatàna ‚ ka tsy tokony hisalasala araka izany ny Ray aman-dReny hitondra ny zanany hatao vakisiny.

Mandritra ny telo misesy ‚ nanomboka ny 07 Jolay 2022 teo fitetezana trano ataon’ireo mpanentana ara-pahasalamana sy ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fanaovana izany.

Nohafanainy mpanakanto SAYAH ny lanonana tamin’iny fotoana iny.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

-/-