a
FandraisanaVaovaom-paritraFARITRA SOFIA : NITALAKOTROKOTROKA NY HETSIKA FANOKAFANA NY HERINANDRO’NY KARA-TANY SY FANOLORANA IREO FITAOVANA MARO AVY AMIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA‼️

FARITRA SOFIA : NITALAKOTROKOTROKA NY HETSIKA FANOKAFANA NY HERINANDRO’NY KARA-TANY SY FANOLORANA IREO FITAOVANA MARO AVY AMIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA‼️

FARITRA SOFIA : NITALAKOTROKOTROKA NY HETSIKA FANOKAFANA NY HERINANDRO’NY KARA-TANY SY FANOLORANA IREO FITAOVANA MARO AVY AMIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA‼️

Fototry ny korontana sy tsy fandriampahalemana ary anisany mampanahirana ny vahoaka ka miteraka krizy maro ato amin’ny faritra Sofia ny ady tany‚ izay miafara amin’ny fifamonoan’ny mpianakavy mihitsy aza indraindray. Tsy nitazam-potsiny manoloana izany ny fitondram-panjakana fa nitady vahaolana maharitra dia ny fanomezana kara-tany hoan’ny tompony. Porofo manan-danja eo anatrehan’ny lalàna‚ afaka manamarina sy manaporofo ny mahatompon-tany‚ raha ny fanazavana nataony Tale Jeneraly ny fananantany sy fandrefesan-tany‚ Atoa Jean René omaly 22 Mey 2023 nandritra ny fanokafana ofisialy ny herinandro ny kara-tany ato amin’ny faritra Sofia.

Miezaka mitady vahaolana sy mamaha ireo sakantsakana mety hibahana fampandrosoana ny fitondram-panjakana izay eo akaikin’ny vahoaka mandrakariva ary mahalala tsara ny fahoriany. Fanokafana ity natao androany ity ka manomboka izao dia efa afaka manatona ireo tompon’andraikitra isika misoratra anarana afahana mahazo ny kara-tany. Hisy ihany koa ny fitetezana ireo Distrika sy kaominina ato amin’ny faritra Sofia mba afahany vahoaka rehetra misitraka ny zo-ny amin’ny fananan-tany‚ hoy ny Jly Lylyson René de Rolland‚ Governora Faritra Sofia nanolotra ireo fitaovana maro hoan’ny kaominina ato amin’ny faritra‚ toy ny “panneau solaire‚ ordinateur‚ imprimantes…” ireo fitaovana ilaina amin’ny fikarakarana ny kara-tany afahan’ireo Ben’ny tanàna miroso amin’ny asa avy hatrany. Nisy koa fanomezana Jiro Lampadaire miisa 100 hanazavana ny kaominina ambonivohitry Antsohihy‚ 50 hoan’ny Befandriana avaratra‚ Mandritsara‚ hisitraka izany koa ireo kaominina hafa.

Solombavambahoaka maro‚ ny Tale Jeneraly ny fananantany sy fandrefesan-tany‚ ny Governoran’ny faritra Sofia‚ ny lehiben’ny Prefektiora Antsohihy‚ ireo olom-boafidy sy olom-boatendry maro‚ sivily sy miaramila ary vahoaka maro no niatrika sy nanontrona ary nanome voninahitra ny fotoana izay nialohavan’ny diabe namakivaky tanàna teto Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia.

Afaka manatona ny Birao ifotony ny fananantany manomboka izao ireo mila kara-tany fa natao tsotsotra ny dingana mba afahan’ny rehetra misitraka ny zo-ny amin’ny fananantany‚ hoy hatrany ny fanazavana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment