a
FandraisanaFampianaranaFARITRA SOFIA : NIDINA NIZARA “CONTRAT DE TRAVAIL” 692 SY BISIKLETA 1042 HOAN’NY MPAMPIANATRA NY MINISITRY NY FANABEAZAM-PIRENENA‼️

FARITRA SOFIA : NIDINA NIZARA “CONTRAT DE TRAVAIL” 692 SY BISIKLETA 1042 HOAN’NY MPAMPIANATRA NY MINISITRY NY FANABEAZAM-PIRENENA‼️

FARITRA SOFIA : NIDINA NIZARA “CONTRAT DE TRAVAIL” 692 SY BISIKLETA 1042 HOAN’NY MPAMPIANATRA NY MINISITRY NY FANABEAZAM-PIRENENA‼️

Dibo-kafaliana ireo mpampianatra anarivony ato amin’ny faritra Sofia‚ niatrika sy nanontrona ny fahatongavan’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena – Dr Marie Michelle Sahondrarimalala teto Antsohihy omaly 20 Mey 2023.

Anisany faritra betsaka Mpampianatra eto Madagasikara ny faritra Sofia‚ betsaka amin’izy ireo koa mbola mikarama dabam-bary avy amin’ny FRAM sy tambin-karama kely (subvention) avy amin’ny fitondram-panjakana. Miady mafy ary manao ezaka ireo Mpampianatra mpanabe mba hahatafita ireo zaza Malagasy‚ misy amin’izy ireo mandeha tongotra 60km mahery mamonjy ny toeram-piasany any Ambanivohitra‚ mba afahan’ireo zaza Malagasy misitraka ny zo ahazo fanabeazana fototra ary fampianarana.

Mpampianatra avy amin’ny CISCO 07 mandrafitra ny faritra Sofia miisa 692 noraisina ho mpiasam-panjakana raikitra‚ notolorana fifanarahana arak’asa omaly‚ Hisy ihany koa fizarana bisikleta 1 042 hoan’ireo mpampianatra mpanabe ato amin’ny faritra mba hampavitrika azy ireo amin’ny fanatanterahana ny asa.

Minia mikipy ary jamba ireo tsy mahita fa miasa ny fitondram-panjakana ankehitriny‚ betsaka ny fotodrafitrasa vita fa ny fotoana hitokanana azy aza no tsy ampy ka miantso ny filoham-pirenena hirotsa-kofidiana fanindroany ny Solombavambahoaka voafidy tao Mahajanga sady Lefitry ny Antenimierampirenena ato amin’ny faritanin’i Mahajanga – Depiote Nina.

Ho tohizana ny ezaka efa natao eo amin’ny sehatry ny fanabeazanam-pirenena izay adidy napetrakin’ny filoha tamina‚ hampitomboina ny isan’ireo mpampianatra ho raisina ho mpiasam-panjakana amin’ny vague manaraka ho fitsinjovana ny mpanabe. Fitiavana izany ary tokony ho valiana fitiavana amin’ny fotoana iray mangingina‚ hoy ny minisitrin’ny fanabeazam-pirenena – Dr Michelle Sahondrarimala.

Tsy mitsahatra mitady izay tombontsoan’ny vahoaka ato amin’ny faritra Sofia ny tenako ary mbola hiezaka hatrany ny hiady hoan’ireo mpampianatra aho satria tsapako ary fantatro ny maha zava-dehibe ny fampianarana‚ izaho rahateo dia zanaka mpampianatra ka manome toky fa namanareo hatrany hijery sy hiady tombontsoanareo‚ hoy ny Jly Lylyson René de Rolland – Governora Faritra Sofia ‚ nangataka ny hametrahana ny ENS (École Normal Supérieur) eto Antsohihy renivohitry ny faritra mba hanofana ireo mpampianatra.

Vahoaka sy mpampianatra maro ato amin’ny faritra Sofia no tonga nanontrona Minisitrin’ny fanabeazam-pirenena teto Antsohihy ity ‚ tao ireo Solombavambahoaka IRD maro izay notarihiny VPN Mahajanga‚ ny loholon’i Madagasikara‚ ireo Tale Jeneraly eo anivon’ny MEN‚ ny Governoran’ny faritra Sofia‚ ny lehiben’ny Prefektiora Antsohihy‚ ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ato amin’ny faritra Sofia ‚ ireo Ben’ny tanàna maro ary ireo mpandraharaha avy amin’ny sehatra tsy miankina no nanome voninahitra ny lanonana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment