a
FandraisanaVaovaom-paritraFARITRA SOFIA : NAHAZO MOTO NY BEN’NY TANÀNA 120▪️MITOHY NY FAMAHANA OLÀNA ATAON’NY FITONDRAM-PANJAKANA‼️

FARITRA SOFIA : NAHAZO MOTO NY BEN’NY TANÀNA 120▪️MITOHY NY FAMAHANA OLÀNA ATAON’NY FITONDRAM-PANJAKANA‼️

FARITRA SOFIA : NAHAZO MOTO NY BEN’NY TANÀNA 120▪️MITOHY NY FAMAHANA OLÀNA ATAON’NY FITONDRAM-PANJAKANA‼️

Tsy misy nanavahana fa samy nahazo ny anjara moto-ny avy tamin’ny fitondram-panjakana avokoa ny Ben’ny tanàna 120 mandrafitra ny faritra Sofia‚ mba afahan’izy ireo mamita ny hiraka nankinin’ny vahoaka taminy amin’ny fampandrosoana ny kaominina misy azy.

Tonga nanolotra izany tao Port Bergé‚ tamin’ny anaran’ny fitondram-panjakana Malagasy izay tarihin’ny filoha Andry Rajoelina ‚ ny Minisitra Tokely Justin sy Minisitra Soafilira Princia sy ireo Solombavambahoaka manohana ny fitondrana izay notarin’ny Filoha ny vondrona Parlementera IRD ary natrehan’ny Governoran’ny faritra Sofia sy ny Lehiben’ny Prefektiora Antsohihy.

Nitalakotrokotroka ny lanonana, nampahafantarina nandritra ny fihaonana tamin’ireo Ben’ny tanàna sy vahoaka ato amin’ny faritra fa mitohy hatrany ny famahana olàna ataon’ny fitondram-panjakana. Ho vitaina avokoa ireo fotodrafitrasa manarapenitra izy nampanantenain’ny Filoha Andry Rajoelina. Omena kara-tany ny vahoaka afahana miaro ny taniny‚ ary natolotra ampahibemaso ireo Jiro Cobra maro hanazava ny tanàna sy fiara tsy mataho-dalana vaovao fitondrana marary (AMBULANCE) ao Port Bergé‚ nomena bisikleta ireo mpampianatra mendrika sy mpianatra sangany.

Nanontrona ny fahatongavan’ny minisitra ireo Tale Jeneraly eo anivon’ny ministeran’ny Ati-tany sy fitsinjaram-pahefana‚ ny Tale Jeneraly ny fananantany sy fandrefesan-tany sady nisolontena ny ministra‚ ireo lehiben’ny sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ary ny vahoaka maro.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment