a
FandraisanaKolontsaina sy TalentaFARITRA SOFIA : MPANAKANTO 27 NOTOLORANA MARIBONINAHITRY NY KANTO▪️ HIANTOHANY MINISTERA NY LATSAKEMBOKA HOAN’NY MPANAKANTO ENY AMIN’NY CNAPS

FARITRA SOFIA : MPANAKANTO 27 NOTOLORANA MARIBONINAHITRY NY KANTO▪️ HIANTOHANY MINISTERA NY LATSAKEMBOKA HOAN’NY MPANAKANTO ENY AMIN’NY CNAPS

FARITRA SOFIA : MPANAKANTO 27 NOTOLORANA MARIBONINAHITRY NY KANTO▪️ HIANTOHANY MINISTERA NY LATSAKEMBOKA HOAN’NY MPANAKANTO ENY AMIN’NY CNAPS

 Tontosa ny 12 Septambra 2022 teo ny lanonana fanolorana mariboninahitra hoan’ireo mpanakanto fanta-daza zanaky ny faritra Sofia miisa 27 . Misy ireo nahazo « Commandeur de l’ordre des Arts ‚ des Lettres et de la Culture » « Officier de l’ordre des Arts ‚ des Lettres et de la Culture ».

Ireto ny ampahany nahazo izany : BAHOEJY – DOVY – TIANJAMA – RALEIDEY – JEAN RIGO ‚ LEGO – RALAY ROBERT – DIN ROTSAKA – RENE KORODOGNO – SOFIA GOMA – JOCELYN MANDRITSARA – SAYAH – LEJIM 415 – DADILOVE – VAIAVY CHILA – LIANAH – DAH MAMA – VANEY’S – JIRAH – SISCA – VAIAVY YDAH … Misy ireo tonga naka ny azy avy hatrany fa kosa ireo mbola lavitra izay afaka maka ny azy amin’ny fotoana manaraka.

Ankoatrany fanomezana ny mariboninahitra dia ho ampidirina ho mpikambana ao amin’ny CNaPS ireo mpanakanto eto Madagasikara ‚ mba afahan’izy ireo misitraka fisotroan-dronono amin’ny faha-60 taonany ary koa ireo tombontsoa maro . Ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina no manefa ny latsakemboka isam-bolana ‚ hoy Lalatiana Rakotondrazafy Andriantongarivo ‚ Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny Governemanta Malagasy ‚ izay nanolotra ireto mariboninahitra hoan’ny mpanakanto tao amin’ny Hôtel Belle vue Antsohihy.
_______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment