a
FandraisanaRaharaham-pirenenaFARITRA SOFIA : MBOLA MITOHY NY TOLONA▪️TOKONY HAMAFISINA NY FIRAISANKINA AFAHANA MIROSO AMIN’NY FAMPANDROSOANA‼️

FARITRA SOFIA : MBOLA MITOHY NY TOLONA▪️TOKONY HAMAFISINA NY FIRAISANKINA AFAHANA MIROSO AMIN’NY FAMPANDROSOANA‼️

FARITRA SOFIA : MBOLA MITOHY NY TOLONA▪️TOKONY HAMAFISINA NY FIRAISANKINA AFAHANA MIROSO AMIN’NY FAMPANDROSOANA‼️

Vavaka niraisam-pinoana tao amin’ny fiangonana katolika izay niarahana tamin’ny FFKM nitondrana am-bavaka ny Tanindrazana sy fametrahana ny fehezam-bonikazo teo amin’ny kianjan’ny mahery fo Antsohihy ho fanomezam-boninahitra no nanamarihana ny faha-76 taona nisiany tolona mahery vaika ‚ nataon’ireo tia Tanindrazana ka namoizana ain’olona an-hetsiny teto Madagasikara.

Tsy mbola vita fa mbola mitohy ny tolona ‚ hoy ny Solombavambahoaka voafidy tao Bealanana niantso firaisankina sy fivondronana hoentina mampandroso ny firenena . Namafisiny Jeneraly Lylyson René de Rolland izay Governoran’ny faritra Sofia izany ‚ tsy misy afa tsy ny firaisankina sy fifankatiavana ary fiarahamientana ny rehetra no afahantsika mampandroso ny Tanindrazana ka tokony alavirina ny zavatra mety hiteraka fampisaraham-bazana « Efa voahozona hitarika isika zanaky ny faritra Sofia ka mifankatiava » hoy izy.

Tazana niatrika ity fotoana ity ny Gouverneur Faritra Sofia ‚ ny lehiben’ny Prefektiora Antsohihy ‚ ireo lehiben’ny Distrika 06 ‚ ny Solombavambahoaka voafidy tao Bealanana ‚ ireo tompon’andraikitra lehiben’ny sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ‚ ny Ben’ny tanàna voafidy teto Antsohihy sy tao Befotaka avaratra ‚ ary ny vahoaka maro.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment