a
FandraisanaPolitikaFARITRA SOFIA : MANGA NY LANITRA EO AMIN’NY SAMY MPITARIKA ANTOKO POLITIKA⁉️

FARITRA SOFIA : MANGA NY LANITRA EO AMIN’NY SAMY MPITARIKA ANTOKO POLITIKA⁉️

FARITRA SOFIA : MANGA NY LANITRA EO AMIN’NY SAMY MPITARIKA ANTOKO POLITIKA⁉️

Niray lakana namonjy lanonana tao Amparihy Distrikan’i Port Bergé androany 12 Jona 2023‚ ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Bealanana – Volahaingo Marie Thérèse avy ao amin’ny antoko politika MMM sy Depiote Irénée Djaosera voafidy tao Analalava‚ izay manohana MIHAVA TOUR ary Atoa Rabeamina Olivier dit Lekarany – mpitarika antoko TGV ao Port Bergé sady mpanolotsain’ny VPAN Mahajanga.

Tsy natao hanimbana ny fiarahana sy fihavanana ny tsy fitovian-kevitra na firehana ara-politika. Tsy mitondra makaiza ny fifandrafiana amin’izany‚ hoy izy ireo nanazava ny antony fiarahana.

Ao anaty fahadiovam-po tanteraka ve izany sa mijanona ho fiatsarambelatsihy sy sary ivelany fotsiny ? Hoy ny mpanara-baovao mametra-panontania. Mety mbola azo eritreretina ve ny hiarahan’ny solombavambahoaka voafidy tao Analalava sy Minisitra Soafilira ao anaty lakana feno tsikitsiky tahaka izao ? Na Depiote Velontsara Paulbert sy Atoa Rabeamina Olivier na samy mpanohana ny fitondrana aza? Toraka izany koa ny Solombavambahoaka voafidy tao Bealanana sy Ben’ny tanàna Aziz Andriamanantsoa ? Raha izany no tanteraka dia miroso amin’ny fampandrosoana tokoa fa tsy ho lany andro handamina ady sy mifanditra intsony ireo samy mpanao politika fa hifanampy ary tsy hijery afa tsy tombontsoam-bahoaka manokana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment