FARITRA SOFIA : MANAO TOHIVAKANA IREO VAHINY TONGA MITSIDIKA SY MIARAMIASA AMINY‼️
Akoatrany fandraisana an-tànana sy fiahiana manokana ireo ankizy sahirana dia efa misy fotodrafitr’asa momba ny sekoly sy fanatsarana ny faripiainan’ireo ankizy sahirana ao Befandriana avaratra faritra Sofia no ataon’ireo vahiny avy any ivelany ‚ izay tonga nihaona sy nitafatafa tamin’ny Governora Faritra Sofia momba ny fampisitrahana ny zon’ireo ankizy sahirana any an-toerana.
Sehatra maro izay afahan’ireo ankizy misitraka ny zo-ny ara-dalàna no iantsorohan’izy ireo sady miaramiasa akaiky amin’ny fitondram-panjakana.
![☑️](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t8d/1/16/2611.png)
Tsikaritra fa manao tohivakana ireo vahiny tonga maneho ny fahavononany amin’ny fiarahamiasa amin’ny faritra Sofia tatoato izay.