FAOYA BEMANANJARA : VOAFIDY HO FILOHAN’NY MPIANATRA ZANAK’ANTSOHIHY AO AMIN’NY ONIVERSITE FIANARANTSOA
Vonona hanompo sy hitarika ary hitondra avo ny voninahitry ny tanànan’i Antsohihy matoa nirotsa-kofidina ho filoha mpitarika ny Fikambanana MAFEA ( Meilleur Association Futurs Élite d’Antsohihy ) ny tenako . Ny fiarahamoninan’ny mpianatra zanaka Antsohihy mirindra sy milamina ‚ anjakany fifankatiavana ary fahombiazana no tanjona ka ataontsika ny hevitra rehetra ‚ hifanampiana mba hahatratrarana izany ‚ ny hahavitantsika fianarana ‚ ny hitondrasantsika anjara biriky amin’ny fanatsarana sy fampandrosoana ny Tanindrazana izay iarahamanana ‚ hoy Florin Faoya Bemananjara ‚ raha nandray fitenenana taoriany naha voafidy azy ho filoha mpitarika ny Fikambanana mpianatra zanaka Antsohihy ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa ‚ ny herinandro lasa teo.