a
FandraisanaSportFANTATRAO VE NY JENERALY BEHIVOKA FIEDERCH

FANTATRAO VE NY JENERALY BEHIVOKA FIEDERCH

FANTATRAO VE NY JENERALY BEHIVOKA FIEDERCH

 Zanaka Ankerika. Nianatra tany Antanagnivo na Ambodimadiro Est tamin’ny ambaratonga fototra. Taorian’ny crise tamin’ny 1972 dia nifindra nianatra tao Antsohihy hatramin’ny nazahoany ny BEPC.

Niditra tao amin’ny SEMIPI ( Sekoly Miaramilam-pirenena ) ny taona 1983 ary tao izy no nahazo mari-pahaizana bakalorea teknika (BTP/OM) ny 1987. Nanohy fianarana tany ivelan’i Madagasikara, momba ny guerre moderne sy ny fiarakodia miaramila, nialoha ny niasany tao amin’ny Zandarimariam-pirenena.

Ny taona 1992 no niditra tao amin’ny Zandarimariam-pirenena. Ka ny 1992- 1993 dia S/LT, FIGN/Escadron mixte (Cavalerie).
Ny 1993- 1994, École Supérieure de Gendarmerie National tao Moramanga ( Cours des Spécialisations des officiers).
Ny 1994 – 1996, Lieutenant, Escadron d’intérvation Salazamay tany Tamatave (adjoint).
1996- 1997, CIRGN/ SE-OPS-RENS tany Tamatave (chef de service).
1998, BPR Brickaville. 1998- 2000, Officier Coordinateur Vatomandry.
2000- 2002, Capitaine, Cdt cie Vatomandry.
2002- 2003, Chef de division protection civile et environnement tao amin’ny MDN/ DDL.
2003- 2005, Homologue du chef de service de la police minière ary nanova azy ho police des mines tao amin’ny Ministeran’ny Mines.
2005- 2008, au grade de chef d’ escadron na Commandant. Cdt de cie Mahajanga. Mafy ny asa nataony tamin’izany fotoana izay, raha toa ka zone rouge iny Faritra Boeny iny tamin’izany fotoana dia lasa zone bleu. Tsy nikely soroka izy sy ny ekipany nazahoana izany vokatra izany. Tamin’ny fotoana naha Cdt de cie Mahajanga azy no nahafoana ny fanafihana tamin’ny RN4 sy RN6 hatreo Manerinerina, ary nipaka tao amin’ny tapany atsimon’i Mampikony sy tapany andrefan’ny Tsaratanana ny fampandrian-tany nataony tamin’izany.
2008- 2010, Cdt de groupement tao Mahajanga noho ny asa vitany na dia mbola grade de commandant tamin’izany ary afaka volana vitsivitsy dia nakarina ho lieutenant colonel.
2010- 2013, Directeur de la police des mines.
2013- 2016, Chef de service des opérations de la survéillance des pèches.
2016- 2017, Adjoint au Cdt CIRGN Antsiranana. Nikaroka ny fomba rehetra mba hamoanana ny asa ratsin’ny andian-jatovolahy tany an-toerana.
2017- 2018 Cdt CIRGN Mahajanga, nanohy hatrany ny ezaka hampandriana fahalemana, hiadiana amin’ny halatr’omby.
2018- 2020, Cdt CIRGN Antsiranana, nataony izay hamoanana tanteraka ny foroche tany an-toerana. Niady mafy tamin’ny zava-mahadomelona ihany koa izy sy ny ekipany tany an- toerana ka tao anatin’ny heritaona dia nahatratra rongony milanja 68 taonina. Nihen mazava ho azy ny asa n-dahalo sy jiolahy tao anatin’ny Faritanin’Antsiranana.

2020- 2021, membre cabinet-na inspecteur tao amin’ny SEG, ary taorian’izay dia voatendry ho inspecteur tao amin’ny inspection generale de la gendarmerie . Ny taona 2022, Directeur de suivi du fonds de l’élévage ao amin’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana.

Olon’ny finoana, nobeazina ary nanabe tao amin’ny fikambanana Skoto izy ary anisany mirehareha fatratra tamin’ny fanabeazana azony tao amin’ny Tily . Nisy ny lanonana goavana nokarakarainy niaraka tamin’ireo fianakaviany sy ireo namany akaiky ary mpiaramiasa aminy ho fisaorana ilay NAHARY sady fiaraha-mifaly amin’ny fianakaviana amin’ny fahazahoany laharam-boninahitra GÉNÉRAL DE BRIGADE izao.
🔥 Mirary ny tsara ‚ ny meva ho azy hatrany isika💯
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment