a
FandraisanaToekarenaFANAMBARANA Manoloana ny FANAMBARANA N°09-SMM/P 22

FANAMBARANA Manoloana ny FANAMBARANA N°09-SMM/P 22

FANAMBARANA Manoloana ny FANAMBARANA N°09-SMM/P 22

FANAMBARANA Manoloana ny FANAMBARANA N°09-SMM/P 22 ANTSO HO FANATSAHARANA TSY MISY FEPETRA NY FAMOAHANA VAOVAO AMIN’NY HAINO VAKY JERY REHETRA MIKASIKA NY RAHARAHA MANDALO EO ANIVON’NY POLISIM-PIRENENA SY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA MIANDRAIKITRA NY FANADIHADIANA SAVARANONANDO navoakan’ny teo anivon’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara, dia manao izao fanambarana izao ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara :
Araka ny voalazan’ny andininy faha-60 lalàna 2020-006 momba ny serasera amin’ny haino vaky jery, « ny mpanao gazety rehetra dia mitaky ny fahalalahana miditra amin’ny loharanom-baovao rehetra sy ny zo hanao ny fanadihadiana malalaka mikasika ny zava-misy rehetra izay iankinan’ny fiainam-bahoaka » Araka ny voalazan’ny andininy faha-7 amin’io lalàna io ihany, « Ny mpanao gazety dia tsy azo sakanana na raràna hikaroka ny loharanom-baovao, tsy azo ahiahiana na amin’ny fomba inona na amin’ny fomba inona eo am-panatanterahana ny andraikitra ara-dalàna maha mpanao gazety azy »
Koa mijoro izahay, maneho ny ahiahinay ny amin’ny hisian’ny fanohintohinana ny fahalalahan’ny zo hahalala vaovao, zo fototry ny olom-pirenena aterak’io fanambarana io Miray feo amin’ny SMM izahay ny amin’ny tokony hanajana ny lalàna ny amin’ny « présomption d’innocence » sy ny amin’ny fahatsapana ny fisian’ny tsindry ataon’ny manam-pahefana ara-politika sy/na ny manam-pahefana ara-panjakana, tato ho ato, izay miantraika amin’ny mpanao gazety ihany koa ary tena melohinay tanteraka
Mitaky izahay ny hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny andrim-panjakana rehetra voakasiky ny serasera sy ny famoaham-baovao, eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Polisim-pirenena ary ny Zandarimariam-pirenena, ho amin’ny fahazoanay malalaka ny vaovao ara-potoana, hahafahanay mampisitraka ny olom-pirenena ny zony hahalala vaovao ary ilainay amin’ny fanamarinam-baovao ataon’ny mpanao gazety, andraikiny sy adidiny, iavahany amin’ny mpikirakira ny tambazotra sosialy.
Natao, teto Antananarivo, ny 12 oktobra 2022.
Ny Filohan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment