a
FandraisanaFambolena sy fiompinaFAMPIROBOROBOANA NY SEHATRY NY FAMBOLENA SY FIOPIANA SOFIA : OMENA TANY 2Ha SY FAMATSIAM-BOLA HANATANTERAHANY TETIK’ASANY NY TANORA 200 ATO AMIN’NY FARITRA ‼️

FAMPIROBOROBOANA NY SEHATRY NY FAMBOLENA SY FIOPIANA SOFIA : OMENA TANY 2Ha SY FAMATSIAM-BOLA HANATANTERAHANY TETIK’ASANY NY TANORA 200 ATO AMIN’NY FARITRA ‼️

FAMPIROBOROBOANA NY SEHATRY NY FAMBOLENA SY FIOPIANA SOFIA : OMENA TANY 2Ha SY FAMATSIAM-BOLA HANATANTERAHANY TETIK’ASANY NY TANORA 200 ATO AMIN’NY FARITRA ‼️

Miezaka hatrany mamaha olàn’ny tanora izay mitaraina fa tsy manana asa‚ nefa raha noana ny kibo mivezivezy ny fanahy. Vahaolana mahomby sy maharitra ary afaka mamaha olàn’ny tanora izay liam-pivoarana sy tia miketrika fampandrosoana hoan’ny tenany sy ny fiarahamonina misy azy no naroson’ny fitondram-panjakana izay tarihin’ny filoha Andry Rajoelina .

Manomboka izao dia afaka manao fangatahana tany 02Ha miaraka amin’ny famatsiam-bola hanaovana tetik’asa momba ny fambolena katsaka sy mangahazo ary fiompiana akoho sy osy‚ ny tanora mihoatra ny 18 taona ka hatramin’ny 40 taona‚ monina sy mipetraka ato amin’ny faritra Sofia. Tanora 200 izay mahafeno fepetra sy manao fangatahana voalohany no hisitraka izany amin’ity taona 2023 ity ary hitohy isan-taona izany‚ raha ny fanazavana nataon’ny Governora Faritra Sofia androany 09 Jona 2023‚ raha nanao fampahafantarana ofisialy ny fisian’ity tetik’asan’ny filoham-pirenena ity teto Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia.

Ao Marovatolena‚ Distrika Analalava no misy ilay hanatanterahana izany. Afaka mandefa antotan-taratasy amin’ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny fambolena sy fiompiana (DRAE Sofia) Antsohihy na any amin’ireo sampandraharaha miandraikitra ny fambolena sy fiompiana isaky ny Distrika ( CIRAE Mampikony‚ Analalava‚ Port Bergé‚ Bealanana‚ Befandriana avaratra‚ Mandritsara) izay liana‚ hoy hatrany ny Jeneraly Lylyson René de Rolland nanazava sy nanentana ny tanora mba hazoto hanao tetik’asa sady hiroso amin’ny sehatry ny fandraharahana fa indrindra ny fambolena izay ananan’ny faritra Sofia tombony manokana amin’ny maha tany lonaka sy mamokatra azy.

IREO TARATASY ILAINA RAHA HANAO FANGATAHANA :
– Taratasy fangatahana milaza ny fahavononana handraharaha amin’ny tontolo ny fambolena sy fiompiana ka ahitana mazava tsara ny famintinana ny tanjona sy ny fomba hanatanterahana ny tetik’asa (business plan).
– Dika mitovy voamarina ny karapanondrom-pirenena.
– Fanamarinam-ponenana.
– Taratasy milaza ny antsipirian’ny traikefa‚ ny fianarana‚ ny fiofanana natao‚ ny asa efa nosahinana … (C.V)

Ny 23 Jona 2023 izao ny fe-potoana farany afahana mandray ny antotan-taratasy hoan’izay vonona.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment